« Bouche sèche » na hoe maina ny ati-vava : ireo tsara fantatra
Ny fahatsapana hoe maina ny ati-vava na « bouche sèche » dia vokatry ny tsy fahampiana rora. Izany hoe mihena ny fatran’ny rora ao anaty vava. Rehefa mitranga izany dia mahatonga fahatsapana maro, toy ny hetaheta be, olana eo amin’ny ati-vava sy ny nify na koa fahasahirananana miteny sy misakafo.
Inona no atao hoe « bouche sèche » na hoe maina ny ati-vava ?
Ny « bouche sèche » na « sécheresse buccale », atao ihany koa hoe « xérostomie », dia avy amin’ny fihenan’ny fatran’ny rora vokarin’ny « glandes salivaires ». Mety ho vokatry ny fiovan’ny « composition » ny rora ihany koa izy io, izany hoe lasa marihitra kokoa ny rora.
Mety ho mandalo fotsiny na maharitra ny fahamainan’ny ati-vava. Mety ihany koa izy io hiseho irery nefa koa mety hiaraka amin’ny fahamainan’ny maso, ny fivaviana, ny hoditra na koa ny « muqueuse digestive ».
Ireo fambaran’ny « sècheresse buccale »
Ny olona tratry ny « sècheresse buccale » dia ahitana fambara mifandray amin’ny tsy fisian’ny rora ao ambanin’ny lela. Anisan’ireo fambara matetika hita ny :
-Fahatsapana maina sy miraikidraikitra ny ao amin’ny ati-vava sy ny tenda ;
-Vakivaky ny molotra sy ny lela ary indraindray mety hivaramena tsy ara-dalàna ;
-Fahatsapana mavaivay na marary ao am-bava, indrindra rehefa mihinana sakafo masitsiaka ;
-Hetaheta be.
-Misy amin’ireo olona sasany tratr’ity « bouche sèche » ity ihany koa no mitaraina hoe :
-Mihena ny fahenoana ny tsiron’ny sakafo ;
-Sahirana mitsako na mitelina ;
-Sahirana miteny ;
-Raha manao solonify dia mahatsiaro tsy mahazo aina.
Ireo antony mahatonga ny fahamainan’ny ati-vava
Maro ireo anton-javatra mety mahatonga fihenan’ny famokarana rora sy miteraka ny « bouche sèche » :
-Fanafody. Isan’ireo antony lehibe sy matetika fahita. Misy karazana fanafody maro mahamaina ny ati-vava (effets secondaires) ;
-Taona. Tsy voatery hahatonga fahamainan’ny ati-vava ny fahanterana fa kosa ny olona nahazo taona no mety mihinana fanafody maro mitarika azy io ;
-Tsy fahampiana rano (déshydratation). Izany hoe tsy misotro rano tsara ;
-Aretina. Misy aretina sasany mety mahavoa ny « glandes salivaires », toy ny diabeta, SIDA, Parkinson, « Insuffisance rénale chronique »… ;
-Fitsaboana toy ny « chimiothérapie », « radiothérapie »… ;
-Fiainana amin’ny vava, ohatra rehefa matory na rehefa jenjina ny orona ;
-Fifohana sigara ;
-Rarintsaina sy tebiteby.
Ireo mety ho fiantraikan’ny « bouche sèche »
Rehefa maina ny ati-vava dia mety hisy fiantraikany maro, toy ny :
-Aretina mahazo ny ati-vava toy ny « mycose buccale » ;
-Fiangonan’ny poti-tsakafo eo anelanelan’ny nify, solonify, « muqueuses »… ;
-Fofom-bava ratsy ;
-Aretin’ny hihy na areti-nify ;
-Falain-komana sy tsy fahampiana ara-tsakafo.
Raha mitranga ary ny iray na ny maromaro amin’ireo fambaran’ny « bouche sèche » dia ilaina ny mananantona mpitsabo, indrindra raha maharitra andro maro na miverimberina matetika ireo fambara ireo.