« Hémorroïdes » : ireo antony mahatonga azy sy ny fitsaboana izany
Manaintaina, mandihidy mavaivay, manelingelina ary mety tena mampijaly tokoa ny « hémorroïdes ». Ireto farany dia fihitaran’ny lalan-dràn’ny lavaky ny fitombenana sy ireo « tissus » manodidina ity farany. Mety ho anatiny ary mety ho ivelany izy ireny ary mety ho samihafa ihany koa ny habeny eo amin’ny olona tsirairay. Fa inona tokoa moa no mahatonga ny « hémorroïdes » ? Ahoana ny atao hitsaboana azy ?
Ireo antony mety mahatonga ny « hémorroïdes »
Zavatra ara-dalàna ny fihitaran’ny lalandrà ao anatin’ny fitombenana rehefa mikàkà isika. Raha tsy mihena ary mampitombo ny tosiky ny rà ao amin’io faritra io izy no atao hoe « hémorroïdes ». Maro ireo antony mety mahatonga azy ireny :
-Ny fototarazo ;
-Ny fitondrana vohoka sy ny fiterahana ara-boajanahary ;
-Ny hatavezana be loatra ;
-Ny fitohanana matetika ;
-Ny fipetrahana maharitra sy matetika ;
-Ny tsy fanetsiketseham-batana ;
-Ny fanatanjahantena sasany toy ny fitaingainan-tsoavaly na bisikileta ;
-Ny fibatana zavatra mavesatra isan’andro ;
-Ny fanaovana firaisana ao aoriana.
Ireo fomba manampy hampitoniana ny « hémorroïdes » ao an-trano
Raha manao « crises d’hémorroïdes légères à modérées », dia misy ireo torohevitra manampy azo atao ao an-trano mba hampitony ny fanaintainana sy ilay « inflammation » :
-Mipetraka ambony tavimandry misy rano matimaty mandritra ny 15 minitra, indrindra rehefa avy mikakà mba hampihena ny fanaintainana sy ilay fivontosana. Atao matetika isan’andro ;
-Petahana « compresses » mangatsiaka eo amin’ilay faritra marary mba hampitony ny fanaintainana sy ilay « irritation » ;
-Sasana moramora amin’ny rano matimaty sy savony ny fitombenana rehefa avy mikakà ary petapetahana mora amin’ny « papier hygiénique » rehefa mamafa azy fa tsy kosehana. Atao maina tsara ilay hoditra ;
-Tsy manena mafy rehefa mikakà ;
-Tsy mipetraka ela eo amin’ny WC rehefa mivoaka ;
-Manao akanjo mampahazo aina fa tsy tery loatra. Atinanakanjo « coton » no anaovana ;
Oviana no mila manantona mpitsabo ?
Mila manantona mpitsabo ny olona tratry ny « hémorroïdes » raha toa ka :
-Mandeha rà rehefa mikakà na aorian’izany ;
-Misy manaintaina be mafy sy tampoka eo amin’ny lavaky ny fitombenana, indrindra raha sady misy mivonto ;
-Tsy mety miditra ny « hémorroïdes » rehefa avy mikakà ;
-Manelingelina sy marary tsy zaka ny « hémorroïdes ». Ny mpitsabo dia afaka manome ny fanafody hampitoniana sy hitsaboana azy ireny. Izy ihany koa no mamaritra ny karazana fitsaboana sahaza satria eo amin’ireo tranga misy fahasarotana dia mety ilaina fandidiana izy ireny.