• Cours de change
  • 5057.28 AR
  • |
  • $4555.71 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fikarakarana « tilapia » mafilotra

11/04/2025 16:31 © Moov.Mg

Anisan’ny trondro matsiro sy fampiasa amin’ny nahandro malagasy ny « tilapia ». Maro ny fomba afaka andrahoina azy io, atao saosy, endasina, atao anaty lafaoro na koa atono na « griller ». Samy manana ny fomba fandrahoana ity trondro ity moa ny tsirairay ka fomba mafilotra tsy fahita matetika ity atoro eto ity.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « tilapia »mafilotra

-Trondro tilapia 1kg ;
-Voasary makirana 1/2 ;
-Sira sy dipoavatra ;
-Tongolo 1 ;
-Tongolo gasy hasiny 3 ;
-Persily voatetika madinika 2 sotrokely ;
-Menaka ½ ny kaopy ;
-Moutarde 1 sotrokely.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Kikisana ny trondro ary esorina ny tsinainy. Sasana tsara avy eo fafana amin’ny lamba madio. Asiana sira.
Homanina ny « marinade » handomana ny trondro. Afangaro anaty lovia jobo ny ranona voasary makirana, ny tongolo gasy voakiky ary ny persily.
Atao anaty koveta kely ny trondro ary rarahana ilay « marinade ». Atsofoka anaty vata fampangatsiahana mandritra ny alina tontolo. Raha maika dia avela hipetraka ao mandritra ny adiny 1 ora.
Arehitra ny afo hanatonoana ny trondro. Atono mandritra ny 1 hatramin’ny 2 minitra ny lafiny tsirairay. Rehefa vita izay dia atao anaty lovia.
Endasina amin’ny menaka 2 na 3 sotro fihinanana ny tongolo voatetika. Arotsaka ao manarak’izay ny moutarde sy ny ambin’ny « marinade » teo ary avela hiketrika mandritra ny 5 minitra eo ho eo.
Afindra anaty vilany ny trondro natono teo ary avela hiketrika ambony afo antonony mandritra ny 5 minitra. Ampiana sira kely raha ilaina.
Loharana eo ambonin’ilay lapoaly nanendasana ny saosy teo ny trondro. Avela hiketrika mandritra ny 8 minitra. Rehefa vita dia loharana eo ambony lovia ary rarahana ilay saosy eo amboniny.

Lire la suite

Articles Similaires