• Cours de change
  • 5057.28 AR
  • |
  • $4555.71 AR
Copyright Image : © Parkinsonfonds
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Parkinson juvénile » : tsy fahita firy nefa mety hahazo ny ankizy sy tanora

11/04/2025 11:22 © Moov.Mg

Matetika dia sokajiana ho aretin’ny beantitra ny « Parkinson » noho izy mahakasika ireo olona 60 taona ny mihoatra amin’ny ankapobeny. Marihana nefa fa misy endriny iray tsy fahita firy izy ity dia ny « Parkinson juvénile » izany. Mety mitranga alohan’ny 21 taona ity farany ary dia tena manimba tokoa.

Amin’izao andro iraisam-pirenena ho an’ny aretina « Parkinson » izao dia andeha ampahafantarina eto ny tsara fantatra momba ny « Parkinson juvénile ».

Inona no atao hoe « Parkinson juvénile » ?

Ny aretina « Parkinson juvénile » na MPJ dia endriky ny aretina Parkinson izay miseho aloha eo amin’ny olona iray. Mitovy amin’ny fisehon’ny « Parkinson » ihany izy io fa kosa mitranga aloha be, matetika eo amin’ny faha 10 hatramin’ny faha 21 taonan’ilay marary. Toy ny « Parkinson » fahita amin’ny beantitra dia ny « mouvements moteurs » no tena voakasik’ity aretina ity ka ny tanora tratr’izany dia mety hanana « difficultés motrices » aloha be eo amin’ny fiainany.
Anisan’ny soritr’aretin’ny « Parkinson juvénile » ny fahangovitana, ny fihinjiran’ny hozatra, tsy mahavita mijoro tsara fa toy ny hianjera, miadana be ny fihetsika, lasa miova ny « expression faciale », izany hoe toy ny tsy mihetsika ny tarehy rehefa miomehy na tezitra ohatra. Mety ho sarotra ny hahitana ity aretina ity noho ireo soritr’aretina matetika afangaro amin’ny « troubles neurologiques » na aretina hafa.

Ireo antony sy anton-javatra mety mahatonga azy

Mbola tsy voafaritra mazava hatreto ny antony manokana maahatonga ny « Parkinson juvénile ». Misy ihany nefa ireo antony heverina fa mitarika azy io. Anisan’izany ireo « facteurs environnementaux », toy ny fifaneraserana amin’ny « toxines » sasany. Ankoatra izay dia heverina fa ny « facteurs génétiques » no isany mety mahatonga ity aretina ity.

Ireo fisehon’ny « Parkinson juvénile »

Mety tsy mitovy ny fomba fisehon’ny « Parkinson juvénile » eo amin’ny olona tsirairay. Anisan’ireo fomba fisehony fahita ny :
-Fahangovitana kely sy matetiky ny tanana, sandry na ny ranjo ;
-Fihinjirana na fihenjanan’ny hozatra izay toy ny manohitra rehefa manao fihetsika sasany ;
-Fihenan’ny hafainganan’ny fihetsika ka mety lasa mandeha miadana kely ilay marary ary sahirana rehefa manao ny asa aman’andraikitra amin’ny andavanandro ;
-Sahirana na tsy mahavita mijoro na mandeha fa toy ny hianjera izany.
Ankoatra ireo voalaza ireo dia mety hisy soritr’aretina hafa toy ny fikorontanan’ny torimaso, fiovaovan’ny toe-po, fahasahiranana mifantoka… Mety tena hanelingelina sy mivadika kilema mihintsy ireo soritr’aretin’ny « Parkinson juvénile » ka sady misy fiantraikany eo amin’ny fahasalamana ara-batana no eo amin’ny kalitaon’ny fiainan’ilay marary mihintsy.

Ny fitsaboana sy fandraisan-tanana

Mbola tsy misy ankehitriny ny fitsaboana ahafahana manasitrana tanteraka ny aretina « Parkinson juvénile ». Mifototra amin’ny fampitoniana ireo soritr’aretina sy amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fiainan’ny marary amin’ny andavanandro hatreto ny fandraisan-tanana azo atao.

Lire la suite

Articles Similaires