Reny sy zaza : Mbola afaka mampinono ve ny reny bevohoka ?
Fanontaniana iray manitikitika ny sain’ny reny mbola mampinono ny mikasika ny fahafahana manohy ny fampinonoan-dreny mandritra ny fitondrana vohoka. Maro eny amin’ny fiarahamonina eny no milaza fa mila halàna nono ny zaza rehefa bevohoka ny reniny. Tsaho ihany nefa izany satria mbola afaka mampinono hatrany ny reny bevohoka. Andeha ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasik’izany.
Tsy tokony misy ahiana ny fanohizana mampinono mandritra ny fitondrana vohoka
Raha eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana manokana no resahana dia afaka mampinono ny zanany hatrany ny reny bevohoka. Tsy marina ny fiheverana fa mampitombo ny « risque » hahafa-jaza na ny fiterahana tsy tonga volana ny fampinonoan-dreny mandritra ny fitondrana vohoka. Marina fa rehefa mampinono ny reny dia mamokatra « ocytocine » ny vatany. Izy io moa dia hormonina mampiakatra rononon-dreny fa koa mandrisika ny fikainkonan’ny tranon-jaza na « contractions ».
Ny fatran’ny « ocytocine » vokarin’ny vatana rehefa mampinono nefa dia tsy ampy handrisihana ny fikainkonan’ny tranon-jaza mety hahafa-jaza na ho teraka tsy tonga volana. Etsy andaniny, ny hormonina eo amin’ny bevohoka matetika dia miaro ny tranon-jaza tsy ho mora handairan’ny « ocytocine ».
Ireo fihovana mety mitranga ka tsara fantatry ny bevohoka mbola hampinono
Satria mitondra fiovana maro eo amin’ny vatan’ny vehivavy ny fitondrana vohoka dia mazava ho azy fa mety ho voakasik’izany ihany koa ny famokaran’ny vatana ny rononon-dreny. Anisan’ireo fiovana mety hitranga raha mbola hampinono ny bevohoka ny hoe :
-Mihena ny fatran’ny rononon-dreny vokarin’ny vatana satria ireo hormonin’ny bevohoka dia mampidina ny famokaran’ny vatana ny hormonina mpamokatra ny rononon-dreny ;
-Marary ny lohanonon’ilay reny mampinono na tsy mahazo aina izy rehefa mampinono vokatry ny fiovan’ny hormonina ao amin’ny vatany. Mety ho lasa sorena na matahotra izy hampinono ny zanany vokatr’io fanaintainana na tsy fahazoana aina io ;
-Mety hahatsapa toy ny « contractions » rehefa mampinono. Izay moa no antsoina hoe « contractions de Braxton Hicks ». Marina fa tsy mitovy amin’ny « contractions » rehefa hiteraka izy io nefa kosa tsapa marary ihany. Mila manantona mpitsabo raha mitranga izany mba hahazo ny fandraisan-tanana sahaza ;
Ankoatra ireo voalaza ireo dia mety hahatsiaro sahirana ny bevohoka mampinono ny zanany rehefa lasa ngeza be ny kibo.
Fanamarihana
Amin’ny ankapobeny dia afaka manohy mampinono ny zanany ny reny bevohoka. Mety misy ihany nefa ireo toe-javatra mahatonga ny rasazy na ny mpitsabo mampiato ny fanohizana ny fampinonoan-dreny eo amin’ny bevohoka. Anisan’izany ohatra ny hoe atahorana ho afa-jaza noho ny antony manokana ilay bevohoka, tsy ampy ny sakafo hoanina ka lasa trohan’ny vatana amin’ny famokarana rononon-dreny ireo otrikaina manome hery azy… Ilaina hatrany arak’izany ny manara-maso ny fizotry ny fitondrana vohoka amin’ny alalan’ny fandehanana misafo.