Fomba fanamboarana « shampoing sec » amin’ny akora natoraly
Efa taona maro izay no malaza ny « shampoing sec ». Arak’izany anarany izany dia fanadiovana volo tsy mampiasa rano izy io. Izany hoe mitroka ireo « sébum » manavesatra ny volo izy ka afaka ampiasaina raha mbola tsy afaka manasa loha. Efa misy mazava ho azy ny « produits » efa vonona ampiasaina. Azo atao ihany koa nefa ny manamboatra « shampoing sec » amin’ny akora natoraly sy vita ao an-trano.
Ireo dingana amin’ny fanamboarana ny « shampoing sec » natoraly vita ao an-trano
Raha hanamboatra ity « shampoing sec » vita amin’ny akora natoraly ity ary ao an-trano dia zavatra roa monja no ilaina : fécule de maïs sy cacao en poudre. Marihana fa tsy mety amin’ny volo « blond » izy ity fa ho an’ny volo miloko mainty sy matroka ihany.
Tsotra ny fomba fanaovana azy. Atao anaty « saupoudreuse » na ilay fitoerana kely fasiantsika dipoavatra ireny, izany hoe misarona sy misy laodaoka sarony, ny fécule de maïs. Tapohana vovoka cacao kely ary ahontsakontsana hifangaro. Raha tena mainty be ny volo dia atao betsabetsaka ny fatran’ny cacao. Rehefa mifangaro tsara dia vonona ny « shampoing sec » natoraly.
Ahoana ny fomba fampiasana azy ?
Marihana fa tsy mahasolo ny fanasana volo amin’ny rano sy « shampoing » ny fanadiovana volo amin’ny « shampoing sec ». Araka ny voalaza teo ambony dia fitaovana vonjimaika hanesorana ny « sébum » manavesatra ny volo fotsiny ihany izy io. Izany hoe tsy manala ny loto tanteraka.
Raha ampiasa ity « shampoing sec » natoraly ity ary dia tsotra ny atao. Fafazana azy eo ambonin’ny volo avy eo horina ny hodi-doha. Miandry minitra vitsivitsy avy eo bangoina ny volo. Mila miondrika ary alefa mankany aloha ny volo. Bangoina amin’ny fihogo na borosy mba hiala ireo vovoka « shampoing » miaraka amin’ny « sébum ».