Torohevitra sy fikafika hiadiana amin’ny fofona maimbo lao ao an-trano
Ratsy fofona ary sarotra esorina ny fofona maimbo lao ao an-trano. Ny vaninandro fahavaratra toy izao no tena mampiakatra azy io ary mety mitarika aretin’ny taovam-pisefoana mihintsy izy io eo amin’ireo marefo toy ny zaza sy ny ankizy. Ahoana ary ny fomba atao hiadiana amain’ny fofona maimbo lao ao an-trano ?
Foananana ireo loharanon'ny hamandoana ao an-trano hiadiana amin’ny maimbo lao
Dingana iray lehibe hiadiana amin’ny maimbo lao ao an-trano ny fitadiavana sy fanafoanana ireo loharanon’ny hamandoana ao an-trano. Raha tsy afaka mihintsy ireo mampisy hamandoana ireo dia hiverina foana io fofona hamandoana io. Anisan’ireo mila zahana ary ny « fuites d’eau », ny mitete amin’ny tafo na ny rano miditra amin’ny rindrina… Atao misy rivotra mifamezivezy ihany koa ao amin’ireo efitra mampiasa rano toy ny lakozia, trano fidiovana…
Avela hiditra sy hivoaka tsara ny rivotra ao an-trano
Mba hanafoanana ny fofona maimbo lao ao an-trano dia mila atao misy rivotra mivezivezy tsara ao an-trano sy ao amin’ireo efitra rehetra. Sokafana midanadana tsara ny varavarankely rehefa maraina ny andro ary avela hiditra sy hivoaka ny rivotra. Raha azo atao dia mampiasa « déshumidificateur d’air » mba hampihena ny rivotra mandomando ao an-trano.
Diovina tanteraka ny ao an-trano
Ny hamandoana ao an-trano sy ny rivotra mandomando mifamezivezy ao dia mampiforona bobongolo ao amin’ireo fitaovana sy faritra samihafa tsy azon’andro. Vao maika mampahazo aina ireo bobongolo ireo ny loto sy ny vovoka tsy afaka ka mampitombo ny fofona maimbo lao. Mba hiadiana amin’ity farany dia mila diovina tanteraka ny ao an-trano, indindra ireo toerana tena ahenoana ilay fofona ratsy, toy ny any anaty « placard », fitoerana akanjo, « tapis », kidoro… Maro ireo akora natoraly afaka ampiasaina amin’izany, toy ny vinaigitra fotsy, ny karibonetra, ny voasary makirana…
Sasana ireo lamba fampiasa ao an-trano
Isan’ireo fitaovana mitazona fofona ratsy, toy ny maimbo lao, ireo lamba fampiasa ao an-trano toy ny « rideaux », lamban-pandriana, lamban-databatra, bodifotsy, fonom-pandriana… Mba hanesorana io fofona ratsy io dia mila sasana tsara ary avela hitapy andro avokoa ireo lamba ireo. Diovina tsara ny fitoeran’izy ireo ary avela ho maina tsara izay vao averina ampirimina ao ireo lamba ireo.