Harena fototarazo : Miroso ny dingana hampisitrahana tombontsoa ho an’ireo vahoaka eny ifotony
Tsy ahazoan’i Madagasikara tombontsoa mivaingana loatra hatreto, ny fitrandrahana ireo harena fototarazo (ressources génétiques) izay harena be miotrika eto amintsika, noho ny fananantsika zavamaniry sy zavamananaina miavaka sy isan-karazany. Manana tanjona ny hampisitraka tombontsoa ireo mponina eny ifotony, izay mahalala ny tsiambaratelon’ireo harena voajanahary ireo, ny Fanjakana malagasy, mba ho fampiharana ny fifanarahan’i Nagoya.
Zavamananaina manana singa miavaka
Nanatanteraka atrikasa teny Anosy ireo talem-paritra sy tomponandraikitra ary teknisianin’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), omaly 19 martsa 2025, mba hahafahana miroso amin’ny fampisitrahana ireo harena fototarazo ho an’ny vahoaka eny ifotony.
Araka ny fanazavan-dRatefason Tojotsara Zafindragisimary, talen’ny Faritra arovana, ny harena voajanahary, azo havaozina ary ny rohivoary eo anivon’ny MEDD, ny atao hoe : harena fototarazo dia ireo zavamaniry na zavamananaina manana singa miavaka ao anatiny, ka azo trandrahana sy ahodina ho tonga vokatra hafa, toy ny fanafody, akora fikojakojana endrika amam-bika… Mampidi-bola be ho an’ireo orinasa goavana, indrindra ireo orinasa matanjaka any ivelany, ny fitrandrahana ireo harena fototarazo miainga avy eto Madagasikara ireo. Tsy misitraka ny tombony azo avy amin’izany anefa ireo vahoaka eny ifotony, izay mitana ny tsiambaratelo nentin-drazana, fonosin’ireny harena voajanahary ireny.
Protocole de Nagoya
Nanasonia ny fifanarahan’i Nagoya i Madagasikara ary nankatoavina tamin’ny volana oktobra 2014 izany. Voafaritra ao anatin’io fifanarahana iraisam-pirenena io ny momba ny fitsinjarana marina sy ara-drariny ny tombontsoa azo amin’ny fitrandrahana maharitra ny harena fototarazo. Araka izany, natao ity atrikasa ity mba hanamafisana orina ny fahaiza-manaon’ireo rantsa-mangaikan’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy manerana an’i Madagasikara, satria izy ireo no isan’ny hampihatra ny lalàna eny ifotony, hoy ny fanazavan-dRazafindrabe Rinah, tale jeneralin’ny haitondra ara-tontolo iainana eo anivon’ny MEDD. Mila omena lanja, hoy izy, ny fahaizana nentim-paharazana. Mila averina eny ifotony ny ampaham-bola azo avy amin’ny fitrandrahana ireo harena fototarazo, ho entin’ireo mponina manatsara ny fiainany andavanandro sy ny velon-tenany. Misy ampahany amin’izany vola izany koa anefa, no ho entina miaro ireo harena voajanahary, mba tsy ho lany tamingana.
Nambaran-dRamamonjisoa Lolona, « point focal national » momba ny Fifanarahan’i Nagoya eo anivon’ny MEDD, fa efa nisy ihany koa ny asa natao teny ifotony, nampahafantarana ireo vahoaka ny zony hisitraka ny tombontsoa azo avy amin’ny harena fototarazo.