Tetikasa DIABE : Dingana iray lehibe amin’ny fanamaitsoana sy fiarovana maharitra ny tontolo iainana eto Madagasikara
Fahombiazana ny tetikasa Diabe (Développement Intégré, Aménagement et Bois-Énergie). Notanterahina tao amin’ny Centell Hotel, ny famaranana tamin’ny fomba ofisialy, io tetikasa notanterahina teto ampovoan-tany, nandritra ny efa-taona io. Nandritra izany no namoahana ny dingana vita izay fahombiazana avokoa, raha ny tatitra. Na teo amin’ny lafiny fiarovana ny ala izany na ny manodidina ny fampiasana harina fandrehitra manara-penitra.
Miroborobo ny arina fandrehitra miaro ny tontolo iainana
Anisan’ny tetikasa nahitam-bokatra lehibe ho an’ny tanjona ankapoben’ny Fanjakana, indrindra amin’ny famokarana angovo maharitra sy famerenana ho maitso an’i Madagasikara, ny tetikasa DIABE, raha araka ny nambaran’ny solontenan’ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana lovainjafy. Isan’ny nisongadina tamin’izany ny fampiroboroboana ny arina fandrehitra miaro ny tontolo iainana na manara-penitra. Amin’izao fotoana izao mantsy dia mbola manodidina ny 95%n' ny tokatrano malagasy no miankina tanteraka amin’ny fampiasana ny arina fandrehitra sy kitay. Nahomby araka izany ny DIABE amin’ny fampiroboroboana ny arina miaro ny tontolo iainana. Raha ny tatitra dia maherin'ny 8.000 ny mpamokatra saribao niofana tamin'ny teknika fanatsarana ny saribao (TAC) ary efa maherin'ny 3.000 no nahazo mari-pankasitrahana.
Maherin'ny 62.000 taonina kosa ny saribao TAC novokarina ary fatana efa nohatsaraina, hatramin’ny 100.000 isa no namidy, ka nampihena 30% ny fampiasana saribao ho an’ny isan-tokantrano.
Nitombo ny fambolen-kazo
Ankoatry ny harina fandrehitra manara-penitra dia isan’ny asa notanterahina ihany koa ny fambolen-kazo sy fiarovana ny ala amin’ny fomba maro. Faritra miisa telo no niasan’ny tetikasa dia Analamanga, Itasy ary Alaotra Mangoro. Tany hatramin’ny 323 Ha no nambolena hazo ary 774 Ha nohavaozina. Etsy ankilany dia zavamaniry maherin’ny 6,5 tapitrisa no voavoly tao anatin’ny 5 taona. Nentina hanatsarana ny fitantanana maharitra ny harena an’ala sy ny fiveloman’ireo mpisehatra amin’ny hazo fanao angovo, ireo asa ireo.
Ankoatra izay anefa dia isan’ny natsangana ihany koa ny fikambanana misehatra amin’ny angovo avy amin’ny hazo miisa 63. Toerana hifampiresahana sy handraisana fanapahan-kevitra ho an'ny sehatry ny angovo izy io. Etsy ankilany ny rafitra fitantanana maharitra ny ala izay napetraka tamin’ny toerana maro.
Noho ireo fahombiazana isan-karazany ireo dia efa hirosoana ihany koa ny tetikasa DIABE faharoa.