• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Freepik
Image
Vaovao

Tohana ho an’ny fanaovam-baksiny : Mila mitady fomba famatsiam-bola hafa i Madagasikara

20/03/2025 12:19 © Moov.Mg

Ny zava-misy maneran-tany, toy ny fampihenan’ny Amerikanina ny fanampiana omeny, na ny ady any Ukraine, dia samy miantraika amin’ny sehatry ny fahasalamana aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana toa an’i Madagasikara avokoa, noho isika mbola tena miankin-doha amin’ny tohana avy amin’ireo mpiara-miombona antoka. Voakasik’izany ny momba ny vaksiny.

Amin’ny ankapobeny, tsy misy fiantraikany mivantana amin’ny fividianana ireo vaksiny mahazatra, izay ampiasaina eto Madagasikara, ny fihenan’ny tohana avy amin’i Etazonia, araka ny fanazavan-dRakotonirina Miarosata, tomponandraikitry ny Fandaharanasa eo anivon’ny vovonana HINA. Tafiditra ao anatin’izany vaksiny mahazatra izany moa ny vaksiny atete am-bava miady amin’ny lefakozatra, sy ny vaksiny miady amin’ny kitrotro.

Fampiatoana ny USAID

Raha tsiahivina dia ny Alliance GAVI no mamatsy ara-bola ny fividianana vaksiny eto Madagasikara, amin’ny taha 85%. Ny 4% kosa dia tafiditra ao anatin’ny teti-bolan’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ary misy sora-bola 1% fanampiny any anatin’ny tetibolan’ny ministeran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Araka ny tombana navoakan’ny UNICEF sy ny Alliance GAVI, dia manodidina ny 17.736.066 Ar ny anjaran’i Madagasikara amin’ny fiaraha-mividy ny vaksiny amin’ny Alliance GAVI, amin’ity taona 2025 ity.

Manoloana ny zava-misy maneran-tany, toy ny nanafoanan’i Etazonia ny Sampandraharaha Amerikanina misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID), sy noho ny fampiakaran’ireo firenena maro ny teti-bola ho an’ny tafika ao aminy, ka nampihenany ny teti-bola ho an’ny fanampiana mankany ivelany, dia mila manamboatra ny tetibola ihany koa isika eto Madagasikara. Raha ny zava-misy ankehitriny aloha, araka ny fanazavan-dRakotonirina Miarosata, dia ny asa tanterahina eny ifotony no tena mizaka ny vokatry ny fiatoan’ny USAID, eto amintsika. Isan’ny nanampy betsaka teo amin’ny fanamafisana ny rafitry ny fahasalamana eny ifotony mantsy ireo fandaharanasa isan-karazany notanterahin’ny USAID teto amintsika. Tafiditra ao anatin’izany, ohatra, ny tohana ara-teknika sy ara-bola ho an’ireo mpisehatra ara-pahasalamana (AC). Mety hiantraika amin’ny fanaovam-baksiny izany.

Famatsiam-bola vaovao

Andrasana ny fivoriana ara-potoana faharoan’ireo parlemantera, izay hotontosaina amin’ny volana mey sy jona ho avy izao, handinihana ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana nasiam-panitsiana taona 2025 (LFR 2025). Tahaka ny mitranga any amin’ny firenena hafa, izay voatery nanitsy ny tetibolam-panjakana lasitra (LFI) ao aminy, dia tsy maintsy hiroso amin’izay ihany koa i Madagasikara. Tsy afaka ny hiankin-doha foana isika, hoy Rakotonirina Miarosata ary ao anatin’ny pôlitikan’ny GAVI rahateo ny fialana tsikelikely amin’ny firenena tohanany, mba hahaleo tena amin’ny fividianana ny vaksiny. Mila mitady fomba hafa ahafahana mamatsy ny sehatry ny vaksiny, araka izany, i Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires