• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpe
Image
Vaovao

FEPA 2025 : Hampisongadina ny vokatra avy amin'ny fiompiana, ho fanatsarana ny sakafo

14/03/2025 16:23 © Moov.Mg

Hotanterahina amin’ny volana mey ho avy izao ny hetsika FEPA 2025, na ny Tsenaben’ny Fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy. Andiany faha-17 ity hotanterahina ity, izay hiavaka, satria entina mankalaza ihany koa ny faha-30-taonan'ny Malagasy Professionnels de l’Elevage (MPE), izay mpikarakara ny hetsika.

FEPA 2025, ho an’ny fahavitan-tena ara-tsakafo

« Ny Fiompiana, fanoitra lehibe amin'ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara », no lohahevitra voizina ao anatin’ity FEPA andiany faha-17 ity. Maneho ny tanjon’ny MPE izany, dia ny fampitomboana isa ireo mpiantsehatra amin’ny fiompiana, ary koa ny fampitomboana ny vokatry ny fiompiana amin'ny fomba maharitra, mba hamaliana ny filàn'ny mpanjifa, na eo amin'ny lafiny ara-kalitao na eo amin’ny habetsahana. Izany dia mitondra mankany amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo sady manampy amin’ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo eto Madagasikara.

Ary satria fankalazana tsingerin-taona ihany koa amin’ity taona 2025 ity, ho an’ny MPE, dia nokendrena mba hisy fiavahana amin’ny mahazatra ny hetsika FEPA 2025. Trano heva 131 isa no hampiraty ireo vokany avy amin'ny sehatra samihafa, toy ny fiompiana, ny jono, ny fambolena, ny tontolo iainana ary ny asa tanana. Mpitsidika maherin'ny 20.000 isa kosa no vinavinaina ho avy hitsidika.

Fampiroboroboana ny toekarena

Ny 8 hatramin’ny 11 mey 2025 no hanatanterahana ny FEPA andiany faha-17, eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary tohanan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Hasongadina manokana amin’ity andiany ity ny maha-zava-dehibe ny vokatra avy amin'ny fiompiana, na an-tanety na anaty rano, amin'ny fanatsarana ny sakafon'ny malagasy, ary koa ny anjara biriky lehibe entiny eo amin'ny fampiroboroboana ny toekarem-pirenena.

Ankoatra ny trano heva, hahitana vokatra azo jifaina amin’ny vidiny mirary, dia hisy ihany koa ny famelabelarana arahina adihevitra, miompana amin’ny lohahevitra taratry ny zava-misy ankehitriny. Izany dia nokendrena hahaliana ireo mpisehatra, na ireo vao hisehatra amin’ny tontolon’ny fiompiana. Homena tombony ihany koa ny ankizy, ka hisy ny fitsidihana miampy fanabeazana, ho an’ireo sekoly samihafa, mba hampahafantarana azy ireo ny zava-misy sy ny mahazava-dehibe ny tontolo ambanivohitra eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires