• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Freepik
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ireo akora natoraly manampy hiadiana amin’ny « cholestérol »

14/03/2025 14:20 © Moov.Mg

Mbola tsy voaporofo mazava ny hifandraisan’ny zavamaniry sy ny fahafahana miady amin’ny « cholestérol ». Misy ihany nefa ireo karazana akora natoraly manampy amin’ny fampihenana azy io ao anatin’ny rà ka santionany amin’izy ireny ireto zaraina manaraka ireto.

Inona no atao hoe « cholestérol » ?

Alohan’ny hanoroana ireo akora natoraly manampy hiadiana amin’ny « cholestérol » dia tsara raha ampahafantarina aloha ny atao hoe « cholestérol ». Ity farany dia tavy na « graisse » mikoriana ao anaty rà. Ilaina izy io amin’ny famokaran’ny vatana ireo sela vaovao. Raha toa kosa nefa ka lasa ambony loatra ny tahan’ny « cholestérol » dia mety mitarika aretin’ny fo sy ny lalandrà.
Marihana fa vokarin’ny aty ny « cholestérol » ary mety azo avy amin’ny sakafo ihany koa. Raha mahavita mifehy ny fihinana sakafo be « cholestérol » dia tsy tokony ho antonony hatrany ny tahan’izy io ao amin’ny vatana. Raha tsy mahafe-tena ka mihinana sakafo be « graisses saturées » toy ny vokatra avy amin’ny ronono, hena, atody… na koa misy olana ny voa na ny aty, matavy loatra dia mety hitombo ny « risques » hampitombo ny « cholestérol ».

Inona avy ary ireo zavamaniry manampy hiadiadiana amin’ny « cholestérol »

Mba hampihena ny tahan’ny « cholestérol » ao anaty rà sy hisorohana ireo vokadratsy aterak’izany dia misy ireo zavamaniry tsara hoanina, toy ny :
-Tongolo gasy
Araka ny vokam-pikarohana Amerikana natao tamin’ny 2010 ary nozaraina tao amin’ny The Journal of Nutrition, dia voalaza fa ny fihinanana tongolo gasy maina sy voatoto isan’andro dia manampy mampidina 7% ny tahan’ny « cholestérol ». Ny singa « soufrés » mandrafitra ny tongolo gasy dia mampihena ny fiandronan’ny « cholestérol » ao anaty rà.
-Sakamalaho
Akora natoraly afaka manampy amin’ny fampidinana ny tahan’ny « cholestérol » ao anaty rà ihany koa ny sakamalaho. Ny fakan’ity farany dia mety manakana ny fiombon’ny « athérosclérose aortique » izay aretina vokatry ny fiakaran’ny tahan’ny « cholestérol ». Izany hoe dia mivantana loatra ny fiasan’ny sakamalaho eo amin’ny « cholestérol » nefa kosa misy fiantraikany izy io.
-Tamotamo
Anisan’ireo zavamaniry mitondra vokatsoa maro eo amin’ny fahasalamana ny tamotamo. Izy io dia manana fiasa « antioxydant », « antiseptique » ary « anti-inflammatoire » ka mandray anjara amin’ny fampitomboana ny hery fiarovana sy amin’ny fampisindana ny fanaintainana. Manampy betsaka amin’ny fampihenana ny tahan’ny « cholestérol » anaty rà ihany koa ny fihinanana tamotamo isan’andro no izy afaka mamadika ny « cholestérol » ho lasa « acides biliaires ».

Lire la suite

Articles Similaires