• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Coalition Nationale De Plaidoyer Environnemental
Image
Vaovao

Fiovan’ny toetr’andro : Mitsinjo manokana ny vehivavy sy ny olona marefo ny tetikasa REJIC

14/03/2025 14:40 © Moov.Mg

Tsy mitovy ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy, fa mizaka ny mafy kokoa ireto farany, noho ny antony samihafa. Mba hampitoviana lenta ny rehetra eo anatrehan’izany tranga ara-tontolo iainana izany, dia natomboka tamin’ny fomba ôfisialy omaly ny tetikasa REJIC, izay miompana amin’ny rariny ara-tontolo iainana sy ny miralenta.

Fiovan’ny toetr’andro sy miralenta

Ho fanohanana ny fanatanterahana ny tondrozotran’ny vondrona momba ny rariny ara-tontolo iainana sy ny miralenta (coalition Genre et Justice Climatique) eo anivon’ny Forum Génération Egalité (FGE) ny tetikasa REJIC. Mpikamban’ny fiarahamonim-pirenena maherin’ny 600 isa, ao anatin’ity « coalition » ity, no hisitraka ny tohana, ka faritra 3 any amin’ny tapany Atsimon’i Madagasikara no ho voakasika, dia Atsimo Andrefana, Androy ary Anosy, araka ny fanazavan’i Andrianirina Lucky, filohan'ny Alliance Aika, iray amin’ireo vovonana mpanatanteraka ity tetikasa ity. Tanjona ny hampitomboana ny fahaiza-manao sy ny traikefan’ireo mpisehatra, ho fampanjakana ny rariny ara-tontolo iainana sy ny miralenta. Miisa 3 ireo vovonana mpanatanteraka ny tetikasa REJIC, dia ny Alliance Aika, ny People Power Inclusion (PPI) ary ny Green'N Kool. Mamatsy vola ny tetikasa kosa ny Vondrona Eoropeanina.

Rariny ara-tontolo iainana

Tsy misy ny rariny ara-toetr’andro raha tsy misy ny rariny eo amin’ny sehatry ny miralenta, hoy i Marie Christina Kolo, mpandrindra ny " coalition Genre et justice climatique" eto Madagasikara. Mahakasika sehatra maro ireo fikambanana mivondrona ao anatin’ity firaisamonim-pirenena ity, toy ny toekarena manga, toekarena maitso, fahasalamana, fifindra-monina vokatry ny fiovan’ny toetr’andro, fanodinana fako, fanetsehana ny tanora, fiarovana ny karazanjavamananaina... Tombony ananan’izy ireo, ahafahan’izy ireo mitondra fiovana sy fanatsarana, ny fiseharana amin’izany lafin-javatra betsaka izany, hoy hatrany ny fanazavany.

« Te hanaporofo izahay, fa tsy firenena iharan’ny tranga ara-toetr’andro fotsiny i Madagasikara, fa mety ho firenena maodely sy afaka mampianatra ireo firenena hafa ihany koa », hoy i Marie Christina Kolo. Ireo mpikambana aloha no hahazo tohana mivantana amin’ny tetikasa REJIC, fa ny fanamafisana traikefa azon’izy ireo dia hahafahany mitondra fanatsara sy fampivoarana eny amin’ny sehatra ifotony izay iasan’izy ireo tsirairay avy indray. Ankoatra ny vehivavy, dia isan’ny hahazo tombontsoa amin’izao tetikasa izao ihany koa ireo sokajin’olona marefo toa ireo olona manana fahasembanana, ireo mponina tompon-tany toy ny Mikea sy ireo mpampanofa fahafinaretana.

Lire la suite

Articles Similaires