• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Inpn
Image
Vaovao

Fiompiana : Mila fahazoan-dalana ny fampidirana karazana trondro vaovao vao azo ompiana

14/03/2025 14:37 © Moov

Miparitaka an-dranomamy eto andrenivohitra ny « poisson chat » na ny « gogo » amin’izao fotoana izao. Eny amin’ny tanimbary manodidina an’Ambodihady eny no tena ahitana izany betsaka. Mbola tsy nampidirina ho ompiana anefa izy ireny fa any anaty ranomasina no tena ahitana azy. Nampatsiahy araka izany ny Minisiteran’ny jono sy ny toekarena manga fa mila fahazoan-dalana ny fiompiana karazana trondro vaovao.

Mila fanadihadiana ara-tontolo iainana

« Tsy maintsy mandalo fanadihadiana ara-tontolo iainana ny fampidirana itony karazana trondro vaovao itony mba hahafahana manome ny fahazoan-dalana hiompy na tsia », hoy ny Minisitra Mahatante Paubert. Hatreto dia mbola tsy fantatra izay tena nihavian’ireto trondro ireto ho eny an-dranomamy. Raha ny fanazavana mantsy dia efa ahitana azy ireo eto Madagasikara saingy any anaty ranomasina ihany. Miantso ny mpiompy, araka izany ny Minisitra mba hanontany ny tompon’andraikitra, mialohan’ny hiompiana karazany vaovao. Hanokatra fanadihadiana kosa izy ireo ny amin’ny nihaviany sy mba hahafantarana raha tena miparitaka an-ndranomamy tokoa izy ireo. Amin’izao fotoana izao aloha dia mbola ny fampilazana an-tambazotran-tserasera ihany no tena hahalalan’ny Minisitera ny fisian’izy ireo.
Etsy ankilany anefa dia biby mihinana karazana trondro hafa ihany koa izy ireo, ka izany indrindra no tena anton’ny fanadihadiana ara-tontolo iainana. Ity farany izay ilaina mba hahafahana miaro ireo karazan-trondro efa nisy teo aloha. Nanamarika ny Minisitera fa maro ireo karazana trondro nampidirina avy any ivelany toy ny tilapia sy ny karpa, saingy nanaraka ny lalàna ny fampidirana azy ireo.

Azo ompiana, tsy misy tokony hampatahotra

Raha ny fahitana ireto karazana trondro ireto dia mampatahotra ny mponina izy ireo. Somary fisaka ny lohany ary ahitana toy ireny volombava ireny ihany koa. Maro izy ireo no mahazo, rehefa manjono, saingy tsy mahasahy mihinana. Nanamarika hatrany anefa ny Minisitera fa azo atao ny miompy azy ireo an-dranomamy saingy, tsy maintsy manaraka izay lalàna napetraka izay.
Efa maherin'ny 4 100 ny karazan’ity « gogo » ity manerantany, na andranomamy izany na andranomasina. Efa an-taonany maro ihany koa no niompy azy ireo anaty ranomamy ny avy ao Vietnam, Indonésie, Chine, Bangladesh, Etazonia ary aty Afrika. Efa manodidina ny 2,3 tapitrisa taonina isan-taona eo ny vokatra manerantany. Araka izany, azon’i Madagasikara atao tsara ny mampiditra azy eto. Hahafahana manampy amin’ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo ihany koa io karazan-trondro io, hoy hatrany ny Minisitra.

Lire la suite

Articles Similaires