• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Leaders
Image
Fahalalana Ankapobeny

Inona no mety ho vokatry ny fihinanana mofo dipaina isan’andro ?

13/03/2025 16:23 © Moov.Mg

Maro amintsika no tia mihinana mofo dipaina rehefa misakafo maraina. Maro ireo karazan-javatra ampiarahana aminy, toy ny dibera, fromazy, confiture… Mety hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny fahasalamana ve ny fihinanana mofo dipaina isan’andro. ‘Ndeha ho resahana eto ary ny mikasik’izany.

Ireo mety ho vokatsoa azo avy amin’ny fihinanana mofo dipaina

Maro ireo mety ho vokatsoa azo avy amin’ny fihinanana mofo dipaina rehefa hoanina amin’ny antonony izy ireny :
-Mitondra hery sy tanjaka ho an’ny vatana. Ny mofo dipaina, indrindra ny « pain complet », dia mitondra « glucides » ilain’ny vatana amin’ny famokarana hery sy tanjaka ;
-Mitondra fibra. Ny « pain complet » dia manankarena fibra izay manatsara ny fandevonan-kanina, mandrindra ny fiasan’ny tsinay ary manome fahatsapana voky ;
-Mitondra vitamina sy mineraly. Ny mofo dipaina dia mety mitahiry vitamina B, fer, magnésium ary otrikaina hafa ilain’ny vatana ;
-Manambony ny « moral ». Mitahiry « glucides » izay mandrisika ny famokarana « sérotonine », izay « hormone du bonheur », ny mofo dipaina.

Ireo mety ho vokadratsin’ny fihinanana mofo dipaina

Toy ny zavatra rehetra dia mety misy vokadratsy ny fihinanana mofo dipaina, indrindra raha hoanina isan’andro na rehefa be loatra izy ireny :
-Mampitombo lanja (mampatavy). Ny mofo dipaina, indrindra ny « pain blanc » fihinantsika, dia manankarena « glucides raffinés ». Ireto farany dia mety mandrisika ny fitomboana lanja raha be loatra ;
-Manakorontana ny fandevonan-kanina. Misy karazan’olona mety tsy mahazaka « gluten ». Ity farany dia « protéine » hita ao anatin’ny mofo dipaina izay mety manakorontana ny fandevonan-kanina ka mampangotika na mampanaintaina ny kibo ;
-Mampiakatra ny tahan’ny siramamy anaty rà na « glycémie ». Mety mitarika olana ara-pahasalamana izany eo amin’ny olona diabetika.

Torohevitra

Raha tena tia mihinana mofo dipaina dia ireo karazana mofo atao hoe « pain complet » no tsara hoanina kokoa noho izy ireo mitahiry fibra sy otrikaina maro raha oharina amin’ny mofo dipaina tsotra fihinantsika (pain blanc).
Rehefa mihinana mofo dia lanjalanjaina tsara ny fatra hoanina mba hisorohana ireo mety ho vokadratsy voalaza teo ambony.
Mba tsy hitombo lanja be loatra vokatry ny fihinanana mofo dia tsara raha sakafo be « protéine » toy ny fromazy na atody no hoanina miaraka aminy. Ferana arak’izay azo atao ny manisy dibera, sôkôla na zavatra mamy na matavy be ao anaty mofo dipaina.

Lire la suite

Articles Similaires