Aretina « schizophrénie » : Mahakasika ny 15,02 %-n’ireo olona manana olana ara-tsaina
Aretina mahakasika ny saina, mbola tsy fantatra loatra eto Madagasikara, ny « schizophrénie ». Araka ny antontan’isan’ny Sampan-draharaha’ny Firenena Mikambana misahana ny fahasalamana, tamin’ny taona 2022 anefa, dia olona 1 amin’ny 300 maneran-tany no tratran’ity aretina ity ary tsy afa-bela ao anatin’izany i Madagasikara.
Aretina « schizophrénie », mahazo ny tanora
Raha ny antontan’isa voaangona teny anivon’ireo toeram-pitsaboana 4 eto Antananarivo, izay manana sampandraharaha misahana ny fikorontanan-tsaina (Centre Hôspitalier Universitaire Joseph Raseta Befelatanana (HUJRB) ; Centre Hospitalier Universitaire de Soins et de Santé Publique Analakely (CHUSSPA) ; Centre Hospitalier de Soavinandriana (CENHOSOA) ; Centre Hospitalier Universitaire de Santé Mentale à Anjanamasina), dia antony nampidirana hôpitaly ny 15,02 % amin’ireo olona manana olana ara-tsaina izay nanatona azy ireo, ny « schizophrénie ».
Aretina vokatry ny fikorontanan’ny tsiry mpanentana ao amin’ny atidoha ny « schizophrénie », araka ny fanazavan’ny Dr Razafindralambo Kiady Rivo, psikiatra. Mipoitra eo amin’ny hatanorana izy, amin’ny ankapobeny, eo amin’ny faha-15 taonan’ny olona eo ho eo, ary tsy mifidy saranga fa mety ho tratrany avokoa. Ireo olona efa manana faharefoana noho ny foto-tarazo no tena mety ho voany, nefa mety hahatonga ny aretina ihany koa ny rarin-tsaina, vokatry ny ratram-po sy ny fahoriana, ohatra, ary koa ny fandraisana zava-mahadomelina.
Mety hitarika famonoan-tena
Mivoatra tsikelikely ny aretina « schizophrénie », araka ny fanazavan’ity manam-pahaizana momba ny saina ity, ka mety tsy ho hita taratra loatra any am-boalohany. Mety hiseho amin’ny alalan’ny olana any an-tsekoly izy, toy ny hoe : lasa tsy maharaka firy intsony ilay zatovo. Mitohy amin’ny fikorontanan’ny torimaso izany, ary raha mbola tsy misy ny fandraisana an-tanana, dia mipoitra amin’izay ireo antsoina hoe : « épisode psychotique » : mahita zavatra tsy hitan’ny olon-kafa, mahare feo izay izy irery ihany no maheno azy (hallucination)... Raha efa mihoatra ny enim-bolana ny olona iray no miaina ireo, dia amin’izay izy no azo lazaina fa « schizophrène ». Mitarika hatrany amin’ny fikorontanana amin’ny fiainana andavanandro ity aretina ity, toy ny tsy fahaizana mikarakara tena intsony, ary mety hiafara amin’ny famonoan-tenan’ilay marary mihitsy, noho ny tebiteby mahazo azy, izay tsy tsapan’ireo olona manodidina, fa izy irery ihany no miaina izany ho toy ny tena zava-misy marina.
Andro eran-tany ho an’ny « schizophrénie »
Azo tsaboina tsara anefa ny « schizophrénie », araka ny nambaran’ireo mpisehatra amin’ny fahasalamana ara-tsaina mivondrona ao anatin’ny fikambanana Psy-kôzy Madagascar. Olana kosa anefa ny tsy fahampian’ireo mpisehatra momba ny fahasalaman’ny saina eto amintsika, satria 21 monja no isan’ny psikiatra eto Madagasikara, ao anatin’izany ireo mpianatra asa. Etsy an-daniny, ny ankamaroan’ny Malagasy dia tsy manana teti-bola atokana ho an’ny fahasalaman’ny saina. Ankoatra izay dia tsy ampy ny fandraisana an-tanana ara-panafody, ary misy aza ny fanafody no tsy misy akory eto Madagasikara, ka voatery manafatra any ivelany. Ny hanatsara ny tontolon’izay tolotra ara-pahasalamana momba ny saina izay no isan’ny antom-pisian’ny fikambanana Psy-kôzy Madagascar, ary koa mba hamerenana ny hasin’ireo olona tratran’ny fikorontanana ara-tsaina, izay matetika no miaina fanilikilihana.
Marihina isaky ny 18 martsa ny andro eran-tany ho an’ny « schizophrénie ». Ho fanamarihana izany dia mikarakara hetsika ny fikambanana Psy-kôzy Madagascar ny 15 martsa 2025, eny amin’ny Centre Arrupe Madagascar eny Faravohitra. « Ciné-debat » no hotontosaina amin’izany, izay hijerena horonan-tsary momba ny « schizophrénie » arahina famelabelaran-kevitra miaraka amin’ny mpisehatra amin’ny fahasalamana ara-tsaina sy olona miaina miaraka amin’ity aretina ity. Hisy ihany koa ny fivarotana boky kely amin’ny vidiny mirary, izay mampahafantatra ny momba ny aretina « schizophrénie ».