Fahandroana sakafo : Tanterahina any Mahajanga ny atrikasa hanitsiana ny fenitry ny fatana mitsitsy
Tanterahina mandritra ny 4 andro any Mahajanga ny ny atrikasa fanavaozana sy famolavolana ary fandaniana ny fenitra vaovao amin’ny fatana mitsitsy. Natao indrindra izany mba hahafahana manome ny kalitao amin’ny harina fandrehitra sy manome fanamarinana (certification) ny vokatra mba ho tombontsoan’ny vahoaka.
Mandray anjara amin’izany ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo, notronin’ny Solontena lefitra eo anivon’ny PNUD, ny « Country Lead » an’ny UNCDF, ny Solontena maharitra eo anivon’ny ONUDI, ny Mpandrindra ny Tetikasa FIER ary ny Lehiben’ny sampandraharaha misahana ny fanamarinana eo anivon’ny BNM.
Mba ho tena hitsitsy ilay fatana
Ny fampiasana arina sy kitay dia mbola mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny Malagasy kanefa mandripaka ny ala sy manimba ny fahasalaman’ny mponina. Mila fehezina araka izany ny fampiasana azy. Tarigetra amin’ity atrikasa ity ny hitondra fanatsarana ny kalitaon’ny fatana mitsitsy vokarina eto amintsika na mandeha amin’ny saribao io na mandeha amin’ny kitay. Tanjona ao anatin’izany dia mba tena ho fatana mitsitsy tokoa izy ireo ka hampihena ny fandripahana ala, izay miteraka fiovaovan’ny toetr’andro. Eo ihany koa ny fampihenana ny fandaniana ara-angovo any amin’ny tokantrano tsirairay avy.
Raha tsiahivina dia ny taona 2018 no nasiam-panitsiana farany ny fenitra mifehy ny fatana mitsitsy. Ilaina araka izany ity fanavaozana ity mba hifanaraka amin’ny zava-misy ara-tontolo iainana amin’izao fotoana izao ny fitaovana hampiasaina.
Fanamafisana ny traikefan’ireo mpamokatra
Efa miditra amin’ny andro faharoa tamin’ity anio ity ny atrikasa. Nivoitra nandritra izany ny ny fangatahan’ireo mpamokatra, ny fanohanana amin’ny fiofanana sy fanamafisana traikefa ary fahaiza-manao. Miainga any amin’ny mpamokatra ireo fatana mantsy ny fenitra tokony hananan’izy ireny ka tokony hanana izay fahaiza-manao izay avokoa izy ireo. Ny lafiny teknika rahateo no nifantohan’ny dinika, androany. Tao anatin’izany ny bikan’ny fatana, ireo karazany, ny habeny, ny lanjany, ny refiny sy ny akora hanaovana azy. Araka izany, raha ny fangatahan’ireo mpamokatra dia haparitaka manerana ny Nosy ireo fenitra ireo.
Marihina fa tsy ny sampan-draharaham-panjakana sy ireo mpamatsy vola irery ihany no mandray anjara amin’ny atrikasa. Ahitana ireo mpikaroka, mpamokatra, solontenan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa, miaraka amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, miaraka amin’izy ireo.