Ireo zavatra mila jerena rehefa hividy fiara occasion
Maro kokoa eto amintsika ny mividy fiara occasion raha oharina amin’ny fiara vaovao. Amin’ny maha « occasion » azy ireny dia efa niasa izany ny fiara ka mila fitandremana ny mividy azy sao sanatria handany vola be amin’ny fanarenana sy ny fitaizana azy ireny. Ireto manaraka ireto ary ny torohevitra tsara arahana alohan’ny hividianana fiara occasion.
Fantarina ny hampiasana ny fiara occasion
Alohan’ny hividiananan fiara occasion dia mila fantarina mialoha ny hampiasana azy. Izany dia mba ahafahana misafidy ny karazana fiara mifanaraka amin’ny filànan’ny tena na eo amin’ny tanjaka, ny hamafisana, ny hafainganam-pandeha, ny habe… Mila faritana arak’izany hoe atao inona ilay fiara ho vidiana : hitondrana entana mavesatra ve ? Hoentina any ambanivohitra matetika ve ? Hitondrana fianakaviana ve ? Hampiasaina eto an-drenivohitra sy mivoaboaka fotsiny ve ?
Tsy maika fa mikaroka sy mampitaha fiara maromaro vao mividy
Rehefa fantatra mazava ny hampiasana ny fiara occasion ho vidiana dia miditra amin’ny fitadiavana ny tolotra mifanaraka amin’ny enti-manana sy ny filàna. Tsy tokony ho maimaika fa maka fotoana hikarohana tolotra samihafa sy hanaovana fampitahana. Tandremana tsara ny ny fihevitra diso hoe izay lafo no tsara na hoe izay mora dia ratsy. Miankina amin’ny « état » ny fiara hatrany no maha tsara na tsia azy fa tsy voatery ny vidiny.
Mitondra « mécanicien » rehefa hijery sy hividy fiara occasion
Na dia efa nitaiza fiara hatry ny ela ary dia hafa foana ny mitondra « mécanicien » rehefa hijery sy hividy fiara occasion. Ny « mécanicien » no mahafantatra tsara ireo lafiny « mécaniques » mila jerena amin’ny fiara. Izy no afaka mahita mazava ireo zavatra tsy mandeha tsara na tsy dia azo antoka eo amin’ny fiara amidy. Raha tsy mahafantatra « mécanicien » dia afaka entina mandeha eny amin’ireny « garage » ireny ny fiara hijerena ny « état »-ny amin’ny ankapobeny.
Santionany amin’ireo zava-dehibe mila jerena manokana
Mazava ho azy fa mila jerena tsara avokoa ny mikasika ny fiara occasion izay ho vidiana rehetra. Ny voalohany ary ny lehibe indrindra dia ny mikasika ny taratasin’ny fiara. Izany dia mba ahazoana antoka fa fiara ara-dalàna, tsy halatra na tsy natao antoka, ilay ho vidiana. Ankoatra izay dia mila jerena ny :
-« Carrosserie » sao efa misy lo, sao efa nidona, sao misy mpempo… ;
-« Moteur » sao manary, tsy mahazo aina, midonaka, misy « bricolage »… ;
-« Train » aloha sy aoriana ;
-« Boîte de vitesse » raha miditra tsara daholo ny « vitesses » rehetra, ny « état »-ny « embrayage »… ;
-« Equipements », izany hoe ny jiro, ny « essuie-glace », ny « tableau de bord »... ;
-« Capitonnage » sao misy rovitra be na efa vasoka be.
Marina fa amin’ny maha « occasion » ilay fiara dia tsy voatery ho tsara be toy ny vaovao avokoa ireo rehetra mandrafitra azy. Mila jerena kosa nefa sao mbola handaniana vola be ny manarina ny zavatra simba na tsy mandeha tsara mila amboarina na soloina aminy.