• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pam
Image
Vaovao

Ady amin’ny tsifanjariantsakafo : Ho asiana fanaraha-maso ny voly vary sy legioma ary voamaina

05/03/2025 15:26 © Moov

Tonga nanao fitsidihana ara-pomba fanajana ny Sekreteram-panjakana miadidy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (SESA) ny solontena maharitry ny Programme Alimentaire Mondial, Tania Goossens. Nivoitra nandritra ny fihaonana ny fanamafisana ny paikady entina hiadiana amin’ny tsifanjariantsakafo. Hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny tanjon’ity fiaraha-miasa vaovao ity.

Ezaka amin’ny sehatra marolafy

Mahasahana lafin-javatra maro sy mahakasika sehatra isan-karazany ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo. Hisehatra amin’ny lafiny fambolena ny fiaraha-miasa eo amin’ny SESA sy ny PAM. Miroso amin’ny dingana lehibe hampiroboroboana sy hampivoarana ny famokarana, hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo izy ireo. Tafiditra ao anatin’izany fiaraha-miasa lehibe izany ny fanatsarana ny vokatra sy fampihenana ny fatiantoka amin’ny sakafo. Tanjona sy tetikasa mazava no iaraha-mientana mandritra izany amin’ny sehatra maro. Voalohany ny voly vary izay ho ampitomboina 150% hatramin’ny 200% ny taham-bokatra. Izany hoe hahazo 4 ka hatramin’ny 5 taonina isaky ny hektara ny vokatr’ireo tantsaha ao anatin’ny 5 taona. Hanampy izany ny legioma, voamaina ary anana. Tanjona ny hampitombo avo roa heny ny vokatra amin’ny fampiasana masomboly nohatsaraina sy teknika fambolena vaovao. Isan’ny zava-dehibe ihany koa ny fanomezana masomboly tsara kalitao sy mahatanty ny fiovan’ny toetr’andro ho an’ireo tantsaha.

Fampiofanana sy fanavaozana fotodrafitrasa

Nambaran’ny PAM fa mamaritra sy mampihatra politika maharitra amin’ny lafiny sakafo, ary miara-miasa amin’ireo tompon’andraikitra ifotony amin’ny fampiroboroboana ny fambolena vao mety mahatanteraka ny vina. Ankoatra izany, mandrindra ny fanomezana fotodrafitrasa sy fanohanana ara-teknika ho an’ny tantsaha. Isan’ny hiaraha-miasa araka izany ny fampiroboroboana ny fampiasana teknôlôjia amin’ny fambolena sy ny fiompiana, eo ihany koa ny fanomezana fiofanana ho an’ireo tantsaha sy mpamokatra. Isan’izany ihany koa ny fampitomboana hatramin’ny 25% ny lemaka voatondraka amin’ny alalan’ny fanatsarana ny fitantanana ny rano sy ny fotodrafitrasa fanondrahana.
Hampihena ny fatiantoka ho 15% fa tsy 30% intsony, amin’ny alalan’ny fitehirizana manaraka ny fenitra sy teknika vaovao ihany koa ny roa tonta.

Lire la suite

Articles Similaires