Hipetra-drery eto Iarivo noho ny fianarana : inona avy no tokony hiomanana ?
Tsy vitsy ireo tanora voatery mandeha an-tany lavitra ny ray aman-dreny noho ny fianarana. Na hijanona eto an-toerana na hankany ivelany mihitsy, tsara raha misy fiomanana mialoha mba tsy hampisy olana firy mandritra ny fianarana.
Mitady trano
Amin'izao fiainana sarotra izao, tsy mahavantana intsony ny miantrano any amin'ny havana. Raha hianatra lavitry ny tranon-dray aman-dreny izany dia tsy maintsy manofa trano. Mba tsy handaniana saran-dalana sy handaniana fotoana amin'ny fivezivezena, trano eny amin'ny faritra misy ilay toeram-pianarana no tena jerena. Tsy mora rahateo ny mahita "bus" rehefa harivariva eto Iarivo. Na lahy na vavy no hipetra-drery, tsara raha trano anaty tanana mihidy sady tsy mitokatokana no hofaina. Mila fantarina mialoha ny fandriampahalemana eny an-toerana.
Raha manana fahafahana ny ray aman-dreny, misy irony "pensionnat" irony. Mipetraka amina trano efa misy fanaka sy fitaovana rehetra ny mpianatra, sady efa misy mikarakara sakafo. Azo heverina ihany koa ny "collocation", izany hoe fiarahana mipetraka amina mpianatra hafa, raha efa namana sy fantatra tsara ilay hiara-hipetraka. Mampihena ny hofan-trano izany sady manala fahanginana.
Manomana entana vitsivitsy
Ny fitaovana fatoriana, fampiriman-damba sy fandrahoana sakafo no tena ilaina raha hipetra-drery noho ny fianarana. Fanaka vitsivitsy no tokony omanina, ka anisan'izany ny fandriana, ny latabatra ary ny seza. Raha azo atao dia fitoerandamba kelikely sady azo ravana no ampiasaina.
Mila fitaovan-dakozia maromaro ihany koa, ka tsy azo ialana ny fatana, ny vilany, ny vilia sy ny sotro. Tsy adino ny daba fasiana rano sy ny fitaovana fidiovana samihafa.
Ferana ny volan-tsakafo isan'andro ka izany no anomezan'ny ray aman-dreny ny vatsy isam-bolana. Misy ihany koa ireo fandaniana madinidinika amin'ny fikarakarana ny sakafo sy ny fanadiovana/ fidiovana : saribao, savony, savoka, éponge, sns. Atao izay hampazoto hikarakara sakafo ara-pahasalamana hatrany mba tsy hankafy irony sakafo misy vokatra simika mora karakaraina irony. Tsy mahasoa ohatra ny fihinanana "nouilles" na sakafo indostrialy afanaina fotsiny.
Mametraka tanjona mazava
Tsy mora ny manohy fianarana lavitra ny ray aman-dreny. Sady mianatra mantsy no mikarakara tokantrano. Tsy misy an'i neny hamoha sy hanao vary sosoa isa-maraina, na hanao rano mafana handroana amin'ny hariva. Rehefa mandeha ny fotoana dia mety ho reraka sy hahatsiaro ho irery. Mba hampahomby, tena ilaina ny mametraka tanjona mazava amin'ny fianarana. Farafaharatsiny mba mahazo diplaoma "licence" ohatra vao mijanona. Raha tsy afaka manohana ara-bola intsony i dada sy neny aorian'izay dia azo atao tsara ny miditra amin'ny sehatry ny asa, no sady manohy fianarana hatrany. Hery lehibe handavana ny fitarihan'ny naman-dratsy ihany koa ny fananana tanjona. Tsy azo lavina fa marobe ireo mpianatry ny Ambaratonga Ambony lavitry ny aman-dreny no tsy mianatra akory. Misy amin'izy ireo mihitsy no mahavita mivarotena sy mangalatra mba hanatanterahana rendrarendra isan-karazany eto Iarivo. Ilaina tokoa ny fifehezan-tena mba tsy ho voasarika amin'ny fitadiavam-bola maloto sy fahafinaretana isan-karazany.
Miezaka hahaleo tena
Matetika dia mandefa vola isam-bolana ny ray aman-dreny hanefana ny fandaniana rehetra ilaina amin'ny fianarana, ny hofantrano sy ny sakafo. Na dia ampy tsara aza nefa ny vatsy isam-bolana, amporisihina ny fiezahana hahaleo tena. Misy tokoa ireo asa madinika azo atao, mba hahazoana vola kely. Tsy ho araky ny ray aman-dreny mantsy ireo filana kely madinidinika, toy ny fividianana akanjo na kiraro vaovao.
Tsy vitsy ireo mpianatry ny ambaratonga ambony no mivarotra tsakitsaky aterina eny amin'ireo mpivarotra enta-madinika na misehatra amin'ny "vente en ligne". Misy ihany koa ireo mikarama manao "serveuse/serveur" na "plongeur/plongeuse" rehefa faran'ny herinandro. Tsy natao hanelingelenana ny fianarana nefa izany, ka tena ilaina ny fahaizana mandamina ny fandaharam-potoana.