• Cours de change
  • 5048.02 AR
  • |
  • $4498.02 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Transfert Aéroport - ville/ hôtel : Manomboka amin'ny 70 000 ariary ny saran'ny Taxi eny Ivato

26/02/2025 20:24 © Moov

Miasa 24ora amin'ny 7 andro ireo "Taxi agréé" eo anivon'ny Seranampiaramanidina Ivato. Miantoka tanteraka ny fiarovana ny mpandeha sy ny entana izy ireo.

Tanjon'ny Ravinala Airports ny fanomezana fahafaham-po ny mpandeha rehetra. Araka izany, tsy ny fitantanana ny ao anatin'ny trano fandraisana ireo mpandeha sy ny toerana natokana ho an'ny fiaramanidina ihany no ifantohana, fa eo ihany koa ny fanamorana ny dian'ny mpandeha, mialoha sy aorian'ny sidina nasionaly na iraisampirenena.

Mpitatitra matihanina

Natao hanamorana ny fivezivezen'ny mpandeha fiaramanidina ireo fitaterana manokana eo anivon'ny Seranampiaramanidina Ivato. Miasa foana ireo "Taxi agréé" ireo na andro na alina, na andro fiasana na andro fety. Rehefa migadona eto Antananarivo ny mpandeha dia tsy atahorana ho very na hisy hanararoatra, na dia vahiny sy tsy misy mpitsena aza. Misy fiara raitra hatrany manoloana ny fivoahana ny varavaran'ny seranampiaramanidina Ivato, ka voaatitra any an-trano na any amin'ny hotely foana ireo mpandeha na dia tsy nanao famandrihana mialoha aza.

Miisa 70 eo ho eo ireo "taxi agréé" eny amin'ny Seranampiaramanidina Ivato. Samy misy ireo mpitatitra ireo avokoa ny ivon-toerana miisa roa, dia ny fandraisana ny sidina avy eto an-toerana sy ny sidina avy any ivelany. Tsara ny manamarika fa afaka maka ireo mpandeha any an-tranony na any amin'ny hotely ihany koa ireo mpitatitra manara-dalàna ireo.


Sarandalana miankina amin'ny halaviran-dalana

70 000 ariary ny saran'ny "transfert Aéroport-ville". Io no saran-dalana ambany indrindra, ary miova izany arakaraky ny toerana aleha. Rehefa miakatra eny amin'ireo "hautes villes" ohatra, toa an'Andohalo, dia 80 000 ariary ny sarandalana. Raha toa ka mivoaka ny renivohitra (périphéries) kosa ny toerana hanaterana ny mpandeha dia manomboka amin'ny 90 000 ariary ny vola aloa. Ny halaviran-dalana izany no hamaritan'ireo mpamily ny saran-dalana, ary ifanarahana mialoha amin'ny mpandeha izany.
Azon'ireo mpandeha atao ny misafidy fiara, arakaraka ny filàna. Misy ohatra ireo Taxi somary lehibe ka mety tsara amin'ireo mpandeha miaraka maromaro nefa be entana. Manentana hatrany ireo tompon'andraikitra mba ireo Taxi manara-dalàna ihany no alaina, raha toa ka tsy misy fiara mitsena rehefa hamonjy na handao ny Seranampiaramanidina Ivato.



Lire la suite

Articles Similaires