• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Fahasalamana : Hatomboka amin’ny toerana miisa 4 eto Analamanga hatrany Boeny ny « caravane médicale » amin'ity taona ity

25/02/2025 15:13 © Moov

Tafiditra tanteraka ato anatin’ny ivon’ny taona 2025 ny hetsika samihafa eto Madagasikara. Hanomboka rahampitso mantsy ny « caravane médicale », « Sarobidy ny Aiko » izay karakarain’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Association Fitia. Toerana efatra no handalovany amin’ity andiany voalohany ho an’ny taona 2025 ity.

Analamanga hatrany Boeny

Toerana miisa efatra ao anatin’ny faritra telo samihafa no handalovan’ity hetsika ara-pahasalamana maimaimpoana ity. Eny Ambohidratrimo, eo amin’ny Terrain Synthétique, eto anatin’ny faritra Analamanga no hanombohana ny hetsika, rahampitso, 26 febroary. Fizaham-pahasalamana momba ny aretina maro samihafa, torohevitra sy fanampiana maro no ho sitrahina mandritra izany. Hitohy any amin’ny faritra Betsiboka, izany hoe ao Maevatanana kosa izany ny 1 marsa ho avy izao. Aorian’izany dia hihazo ny faritra Boeny ireo mpitsabo ary hijanona ao Tsaramandroso ny 4 marsa raha hanohizana azy kosa ny ao Mahajanga ny 7 marsa ho avy izao. Hifarana amin’ny fanamarihana ny andron’ny vehivavy ny hetsika, ny 8 martsa, ao an-drenivohitr’i Mahajanga. Fanomezana tolotra ara-pahasalamana maimaim-poana sy manakaiky vahoaka moa ity « caravane médicale » ity raha tsiahivina.

Fitsaboana maimaim-poana

Fiarabe maro, izay efa misy fitaovam-pitsaboana, no handeha hanatona ny vahoaka sy hanome fitsaboana maimaim-poana nandritra izay andro maromaro izay. Hisy ny fizaham-pahasalamana, ny fitiliana, ny fitsaboana sy ny fandidiana, izay hahasahana trangan’aretina sy tsy fahasalamana isan-karazany. Isan’izany ny aretin’ny nify sy ativava, ny tsy fahampian-tsakafo... Hisy ihany koa ireo karazana tolotra sy fandraisana an-tanana, toy ny fanagatahana torohevitra mikasika ny fanabeazana aizana sy ny fanaovam-baksiny… Raha tsiahivina ireo hetsika efa natao rehetra hatramin’ny taona 2023 dia efa olona an’aliny no nisitraka ity hetsika ara-pahasalamana ity. Manala fahasahiranana rahateo izy satria tsy handoavam-bola.

Lire la suite

Articles Similaires