• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tvm Mahajanga
Image
Vaovao

Fiainana andavan’andro : Efa manjifa ny vary mora 750 ariary/ kapoaka ny faritra Boeny

25/02/2025 11:13 © Moov

Efa manomboka misitraka ny vary mora ny faritra Boeny. Tonga hatrany amin’ny Distrikan’i Mahajanga faharoa ny vokatra amin’izao fotoana izao. Tsy miova fa jifaina amin’ny vidiny 750 ariary hatrany ny kapoaka raha manodidina ny 2 600 ariary eo ho eo ny kilao.

Mahajanga II : vary mora 9 taonina

Famahana ny olan’ny famatsiana vary sy fampidinana ny vidiny dia efa miparitaka amin’izao fotoana izao ny vary mora. Ny faran’ny herinandro teo no tonga tao Mahajanga ireo anjaran’ny Distrikan’i Mahajanga II. Nahatratra 9 taonina io entana tonga io ary mbola hiampy izany araka ny filàna sy ny tahiry izay misy. Raha efa nisitraka azy io ny kaominina Belobaka, teo aloha teo dia ho an’ny Kaominina Mahajamba indray ireto vary vao tonga ireto. Raha ny fanazavana avy amin’ny Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ao Boeny dia ho avy amin’ity herinandro ity ihany koa ny ho an’ireo kaominina hafa, toy ny Ambalakida, Betsako, Bekobay sy ny maro samihafa. Raha tsiahivina dia vary nafarana ireto hamidy mora ireto, ao anatin’izany ny vary Eagle, Global Rice, Globo, Mara ary Bulmex. Tanjon’izany ny fihezahana hampidina ny vidim-bary rehetra manerana ny Nosy. Natao izany mba hanamaivana ny fahasahiranan’ny mponina amin’ny fiainana andavan’andro.

Ezahina tsy ho tapaka ny famatsiana

Isan’ny fanambin’ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny varotra sy ny fanjifana ny hisian’ny famatsiana hatrany. Tsy ho an’i Mahajanga irery izany fa ezaka hatao ho an’ny faritra rehetra. Raha ny fanazavan’ny avy ao amin’ny Ministera dia nahitana fidinana ihany koa ny vidim-bary vokarina eto an-toerana. Isan’ny hanampy rahateo ihany koa izany raha sendra misy fahalaniana ireo vary nafarana. Raha ho an’ny ao Morondava fotsiny ohatra dia ireo vary botry avy eto an-toerana no jifaina amin’ny vidiny 750 ny kapoaka, teo aloha teo. Etsy ankilany anefa dia hezahina ny tsy hisian’ny fahatapahana. Miezaka manara-maso ny tsena hatrany ihany koa ny Minisitera mba hahafahana mifehy io vidim-bary io.

Lire la suite

Articles Similaires