• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtefop
Image
Vaovao

Fiahiana ara-tsosialin’ny mpiasa : Hahazo tombontsoa eo anivon’ny CNaPS ireo mpiasa tena

21/02/2025 11:53 © Moov.Mg

Notanterahina teny amin’ny tranoben'ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy (CNaPS), eny Ampefiloha, ny 19 sy 20 febroary 2025 teo, ny atrikasa fikaonan-doha ho fanavaozana ny fehezan-dalàna momba ny fiahiana ara-tsosialy (Code de Prévoyance Sociale) eto Madagasikara. Isan’ny nisongadina tamin’izany ny fampidirana ireo mpiasa tena ho isan’ireo mpisitraka ny fiahiana ara-tsosialy.

Fiahiana ara-tsosialin'ny mpiasa, asiam-panavaozana

Raha tsiahivina dia nentina nanangonana ireo soso-kevitra avy amin'ireo mpiasa, mpampiasa, mpisotro ronono, sy ny solontenam-panjakana isan-tsokajiny, izay voakasiky ny fiahiana ara-tsôsialy, ity atrikasa ity. Isan’ny nanatrika izany ihany koa ny solon-tena avy amin'ireo fikambanana tantsaha, koperativa sy ny mpikambana avy amin'ny holafitra samihafa. Tanjona ny hahafahana mandrafitra rijantenin-dalàna momba ny fiahiana ara-tsôsialy, mifanaraka amin’ny zava-misy iainan’ny mpiasa, amin’izao vanim-potoana iainantsika izao.

Tsoa-kevitra isan’ny nisongadina, taorian’ny atrikasa, ny hampidirana ireo mpiasa tena ho isan’ireo mpisitraka fiahiana ara-tsosialy eo anivon'ny CNaPS. Amin’ilay fehezan-dalàna mifehy ny fiahiana ara-tsosialy izay ampiasaina ankehitriny mantsy, dia ny mpiasa mandray karama eny anivon’ny orinasa ihany no misitraka tombontsoa. Fa amin’ity fehezan-dalàna vaovao eo andalam-pamolavolana ity, dia hahazo ny anjarany ihany koa ny mpiasa tena. Tsiahivina fa lalàna mifehy ny fiahiana ara-tsosialin'ny mpiasa efa tamin’ny taona 1968 io mbola ampiasaintsika eto Madagasikara io, ka rariny raha asiam-panavaozana.

Miankina amin’ny vola miditra

“Hampitombo ny isan’ireo mpahazo tombontsoa eo anivon’ny CNaPS izany ary vao mainka hanatsara ny atontan’isa misy amin’izao fotoana izao”, hoy Rahaingonjatovo Vimbina, Tale jeneralin’ny CNaPS. Nanamarika kosa ny minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana fa “Arakaraka ny fahefan’ny mpiasa tena tsirairay avy, miankina amin’ny vola miditra aminy, no handraisana anjara amin’ity fiahiana ara-tsosialy ho an’ny mpiasa tena ity”.

Tafiditra ao anatin’ny fanitarana ny fisitrahana ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ny mpiasa rehetra izao ezaka atao izao, mifanaraka amin'ny Politika ankapoben'ny Fanjakàna sy ny Tondrozotra fanitarana ny fiahiana ara-tsosialy amin'ny mpiasa tena, izay nankatoavina teo amin'ny Filàn-kevitry ny Governemanta tamin'ny taona 2023.

Lire la suite

Articles Similaires