Fehezan-dalana momba ny fiahiana ara-tsosialy : Miroso ny dingana fanavaozana
Efa nilaozan’ny toetr’andro ny fehezan-dalàna mahakasika ny fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara, ka mila fanavaozana. Ao anatin’ny dingana ho fanatsarana izany, dia nisy ny atrikasa notontosaina androany, teny amin’ny tranoben’ny CNAPS eny Ampefiloha.
Fakan-kevitra momba ny fiahiana ara-tsosialy
Lalàna mifehy ny fiahiana ara-tsosialin'ny mpiasa efa tamin’ny taona 1968 no mbola ampiasaintsika eto Madagasikara mandraka ankehitriny. Araka izany, tsy mifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny intsony io lalàna io, ka mila fanavaozana. Efa ao anatin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana raha teo ihany koa ny hanaovana ny fanatsarana ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ny rehetra araka ny nambaran’Atoa Rabenarivo Lanto Lauréat, Sekretera Jeneralin’ny ministeran'ny Asa, ny Fampananan'asa ary ny Asam-panjakana, nandritra ny kabary fanokafana izany atrikasa izany.
Araka izany, fikaonan-doha ho fanavaozana ny fehezan-dalana mahakasika ny fiahiana ara-tsosialy (Code de Prévoyance Sociale) eo anivon’ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy (CNaPS) no notanterahina androany 19 febroary 2025. Nandray anjara tamin’izany ireo mpisehatra rehetra voakasiky ny fiahiana ara-tsosialin’ny mpiasa. Niompana tamin’ny fakan-kevitra avy amin’ny mpiasa, ny mpampiasa, ny mpisotro ronono, sy ny solontenam-panjakàna ny atrikasa.
Fanatsarana ny tolotra
Tanjona ny hanatsarana ny tolotra momba ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ireo am-perinasa, ireo efa misotro ronono sy ireo nitondra takaitra am-perinasa, mba hifanaraka amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena izany. Ilaina ihany koa ny mampifanaraka ity fehezan-dalana ity, amin’ny fifanarahana misy eo anivon’ny Vondrona Afrikanina momba ny fiahiana ara-tsosialy (CIPRES). Ity farany moa dia manara-maso ny fitantanana ny fiahiana ara-tsosialy any amin’ireo firenena mpikambana ary manatanteraka fandalinana sy mamolavola tolo-kevitra mikendry ny haha-ara-dalàna ireo tetikasa mifandraika amin’ny fiahiana ara-tsôsialy, any amin’ireo firenena eto Afrika.
Raha araka ny antontan’isan’ny Fikambanana Iraisampirenena momba ny Asa (OIT), dia mbola ambany ny taham-pisitrahana fiahiana ara-tsosialy aty Afrika. Tamin’ny taona 2021, dia ny 27%n’ny mpiasa ihany no nisitraka izany ary 27% kosa no tahan’ny zokiolona misotro ronono afaka mianoka ny zony ara-tsôsialy. Ho antsika eto Madagasikara dia tombanana ho ny 20%-n’ny tahan’ny mpiasa eny anivon’ny orinasa ihany no misitraka ny fiahiana ara-tsosialy.