Fandaharan’asa SANDWATCH : Novolavolaina ny fitaovam-panabeazana vaovao hanaraha-maso ny morontsiraka
Notanterahina ny 18 febroary teo, tao amin’ny Hôtel Le Pavé, ny atrikasa fifampizarana sy fampivoarana ny fampiofanana momba ny fandaharan’asa SANDWATCH sy KIT MAD’ErE. Nokarakarain’ny Vaomieram-pirenena Malagasy ho an’ny UNESCO (ComNat UNESCO) sy ny Foibem-pikarohana sy fampianarana momba ny tontolo iainana (CREE), miaraka amin’ny fanohanan’ny Tetikasa RECOS izany fihaonana izany. Mikendry ny hanamafy ny fahaizan’ny mpampianatra amin’ny fanaraha-maso sy ny fiarovana ny tontolo manodidina ny moron-tsiraka io tetikasa io.
Fanofanana natao ho an'ny mpampianatra
SANDWATCH dia programam-panabeazana iraisam-pirenena natomboka tamin'ny 2001 novokarin’ny UNESCO. Mampandray anjara ny mpianatra, ny mpampianatra ary ny fokonolona any an-toerana amin’ny fiarovana ny morontsiraka no antom-pisiany. Madagasikara, Isan’ireo firenena mampiroborobo ny fampianarana momba ny tontolo iainana ho an’ny fampandrosoana maharitra (ErEDD) ka efa nanomboka ny MAD’ErE KIT tamin’ny taona 2007. Niarahana tamin’ny GIZ PAGE2 sy ny WCS Paysage Marin hatrany izany. Nampifamenoana ireo programa roa ireo manomboka izao mba hahazoana fahombiazana tsara tsara kokoa.
Ny atrikasa tamin'ny 18 Febroary io dia nahafahana nampifanaraka ireo fitaovana entina mampianatra amin'ny zava-misy isaky ny toerana hiasana. Entina hamaritana rafitra fanofanana mifampitohy, ihany koa. Mpampiofana avy amin'ny programa SANDWATCH sy KIT MAD'ErE kosa no hampita ny fahalalany amin'ny mpampianatra any amin'ireo sekoly hanombohana ny asa (école pilote) ao Menabe, amin’ity andiany ity.
Toeram-pampianarana dimy no nofantenana tamin’ity dingana manaraka ity : EPP Nosikely, EPP Morondava, EPP Betania, CEG Centre ary CEG Ankisirasira. Ireo mpampianatra hofanina no hampiditra ireo fomba ireo ao amin'ny lesona ary handray anjara mavitrika amin'ny fiarovana ny tontolo iainany ny mpianatra, amin’ny fampiharana izany.
Fandaharan’asa ho amin’ny hoavy maharitra
Vononina hamantatra sy hanombatombana ny loza mitatao amin'ny tontolo iainany ireo vondrom-piarahamonina isan-toerana, amin’ity andiany ity. Hanentanana ny tanora sy hahatonga azy ireo ho tompon’andraikitra amin’ny olana ara-tontolo iainana, amin’ny alalan’ny fampandraisana anjara ny tsirairay ihany koa. Ny fampiharana ny MAD’ErE KIT sy ny SANDWATCH araka izany dia manamarika dingana lehibe amin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana eto Madagasikara.