• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Vietnam.Vn
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahavaratra : Ireo aretina mpiseho mila tandremana manokana

17/02/2025 11:53 © Moov.Mg

Rehefa vanim-potoanan'ny fahavaratra toy izao dia miova avokoa na ny fomba fitafy na ny fahazarana ara-tsakafo. Samy mikaroka ny fomba hampafana sy hiadiana amin’ireo aretina mpiseho mandritra ny fotoanan’ny orana ny rehetra. Anisan’ireo aretina mety hiseho ka mila tandremana manokana rehefa fahavaratra àry ireto ho zaraina manaraka ireto.

Ny tazomoka, aretina mpiseho rehefa fahavaratra

Anisan’ireo aretina mpiseho rehefa fahavaratra sy mamely mafy ny tazomoka. Mifindra amin’ny olombelona amin’ny alalan’ny kaikitry ny moka atao hoe « anophèle femelle » moa izy io. Amin’ny alina amin’ny ankapobeny no hamindran’ny moka ny otrikaretina mahatonga ny tazomoka mankany amin’ny olombelona. Ny fiandronan’ny ranon’orana dia mampirongatra ny moka « anophèle femelle ». Manampy trotraka izany ireo lobolobo, fako, rano miangona… mampahazo aina azy ireo.

Ny gripa

Aretina iray azo avy amin’ny viriosy ny gripa. Ny taovam-pisefoana ambony, toy ny orona, tenda, « bronche » no tena tafian’ity otrikaretina ity. Mety mihombo hivadika « pneumonie » ny gripa raha tsy voatsabo ara-dalàna. Ireo olona marefo, toy ny bevohoka, ny ankizy sy ny beantitra no tena lasibatr’ity aretina ity. Ny hamandoana dia isan’ireo zavatra tian’ny viriosin’ny gripa sy mampitombo azy ireo. Mora miparitaka avy eo ny aretina rehefa ao anatin’ny faritra mihibokiboka sy be olona, toy ny any an-tsekoly…

Ny kôlera

Aretim-pivalanana mahery vaika vokatry ny fihinanana sakafo na fisotroana rano voaloton’ny « bacille Vibrio cholerae » ny kôlera. Araka ny voalazan’ny OMS, mirongatra be ity valan’aretina ity mandritra ny fotoam-pahavaratra satria manaparitaka ny loto ny orana sy ny rano miangona eny rehetra eny. Miseho amin’ny alalan’ny fivalalana, fandoavana sy ny tsy fahampiana rano eo amin’ny vatana ny kôlera. Mety mitarika amin’ny fahafatesana izy ity raha tsy voaray an-tanana ara-potoana ny marary.

Ny « dysenterie »

Aretim-pivalanana mahery izay mateti-piseho rehefa fotoanan’ny orana ihany koa ny « dysenterie ». Mahatonga fivalanana misy rà manaraka na « mucus » mety mahafaty moa ity aretina ity. Ny fihinanana sakafo na ny fisotroana rano voaloto matetika ny mahatonga ny « dysenterie ». Toy ny kôlera dia ny ranon’orana no isan’ny manaparitaka ny loto mitondra sy mampirongatra azy io.

Lire la suite

Articles Similaires