Sivily mitafy fanamian'ny miaramila : Midina ifotony ny zandarimaria
Nanomboka ny sabotsy 15 febroary lasa teo no nanambaran'ny zandarimaria fa hampiarana sazy ho an'ireo sivily mbola minia manao fitafiana mitovy amin'ny fanamian'ny miaramila.
Hatreto aloha, nanaiky fandaminana avokoa ireo mbola nahatratrarana akanjo na pataloha maitso na manga natokana ho an'ireo mpitandro ny filaminana, ka tsy mbola nisy ny fisamborana.
Fanaraha-maso hentitra
Midina ifotony ny Zandarimaria ka mizaha raha tena miaramila marina ireo manao akanjo na pataloha toy ny an'ny tafika. Izay manambara fa sivily dia manala izany akanjo izany avy hatrany. Manamafy ny fidinana ifotony moa ny zandarimaria mba hampahatsiahivana ny lalana, mialoha ny hirosoana amin'ny fanasaziana ho an'ireo minia manao izay saim-patany. Azo atao tsara ny manatitra ireny akanjo miaramila ireny eny amin'izay birao akaiky indrindra. Tany Manara Avaratra, fanamiana miaramila miisa 147 no naterin'ny mponina.
Tsiahivina fa tsy azon'ny sivily atao ny mitafy akanjo mitovy na mitovitovy amin'ny fanamian'ny mpitandro ny filaminana : débardeur,t-shirt, pataloha, gilet ary akanjo mafana, na ho an'ny lehilahy na ho an'ny vehivavy. Tsy voakasiky ny fandrarana kosa ny atin'akanjo. Iangaviana ireo mpivarotra friperie mba tsy hivarotra mihitsy ireo fitafiana miaramila. Raha mbola misy manana akanjo mitovy amin'ny an'ny mpitandro ny filaminana, azo aterina any amin'ny zandary, polisy, tafika, na dorana izy ireny. Azo tenaina ao an-trano ihany koa, nefa tsy entina mandehandeha eny ivelany.
Fampahatsiahivana
Voaràran'ny andininy fana 259 ao amin'ny fehezan-dalàna famaizana ka mahavoasazy 1 volana ka hatramin'ny 5 taona an-tranomaizina ny fanaovana fitafiana miaramila na ny mitovitovy amin'izany. Miampy lamandy 300.000 ka hatramin'ny 9.000.000 ar izay olona hita mivarotra na misalotra na mitondra ivelan'ny trano fonenany ireo fanamiana mpitandro filaminana na akanjo misahala endrika aminlizany.