• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Letemps-Kinéactualité
Image
Fahasalamana&Sakafo

Trouble du Comportement Alimentaire : Fihinanana na fifadiana sakafo be loatra, tsy fahaizana mifehy tena ara-tsakafo

17/02/2025 04:34 © Moov

Ny fihinana sakafo no antoky ny famelomana ny vatan'olombelona. Misy ny "fatra antonony" mila hajaina mba hisorohana ny aretina isan-karazany. Noho ny antony samihafa nefa, misy ireo olona "miletra" sakafo mihitsy na zara raha misakafo, ka heverina fa mila fitsaboana maika izany mba tsy hanimba tanteraka ny vatana.

Tratran'ny "Trouble du Comportement Alimentaire" rehefa manova tampoka ny fahazarany misakafo. Matetika dia noho ny adin-tsaina, ny fiovana isan-karazany amin'ny fiainana na ny fanatrarana tanjona goavana no anton'izany.

Ny fitrangan'ny Trouble du Comportement Alimentaire

Misy karazany 2 ny Trouble du Comportement Alimentaire, ary samy mety hiafara amina aretina sarotra sitranina avokoa :
Boulimie : Rehefa lasa misakafo be ny olona iray, ka tsy ampy azy intsony mihitsy ny fisakafoanana in-telo isan'andro sy ny "goûter" kely mahazatra. Ampitomboiny be ny fatran-tsakafo haniny sy ny ody am-bavafo, nefa toa tsy mety voky mihitsy. Lasa mitokatokana matetika ireo lasa tia misakafo be, mba hahafahany manara-po tsara tsy misy miteniteny. Misy mihitsy ireo mahazo mihoatra ny 5 kilao ao anatin'ny herinandro, ka miova vatana mihitsy ao anatin'ny fotoana fohy.
Anorexie : Tsy ilay "vatana kely loatra" eto no tiana ambara. Misy ireo olona manao "crise" ka mihevitra ny tenany ho ngeza na dia antonony tsara aza ny vatany. Noho izany dia lasa mampihena ny fatran-tsakafo hanina, na mahavatra tsy mihinana mihitsy aza. Mety hiampy fanaovana fanatanjahan-tena mafy be izany.

Ny fitsaboana ny Trouble du Comportement Alimentaire

Na be na kely loatra ny sakafo hanina, manimba ny vatana foana izany. Mampiahiahy nefa raha misy fomba fisakafoana tsy mahazatra lasa ampiharina amin'ny andavan'andro. Araka izany, heverina ho isan'ny "aretin-tsaina" ny Trouble du Comportement Alimentaire ka tena mila fitsaboana.
Amin'ny ankapobeny, misy olana saro-bahana na adin-tsaina lalina lalovana ny olona tratran'io aretina io, ka any amin'ny sakafo izy no "mampionona" ny tenany. Ny "boulimie" no tena mateti-pitranga, indrindra ho an'ireo voadonam-pitiavana, satria toa mampitony ny fihinanana sakafo matsiro tsy ankijanona. Matetika nefa, rehefa miova ny vatana sady tsy voakarakara intsony, voa maika tafiditra anaty "état dépressif" ilay olona voakasika.
Raha mahatsiaro fa lasa te hisakafo be loatra na lasa mifady hanina tsy toy ny mahazatra, tsara raha manantona "psychologue". Azo atao ihany koa ny mandini-tena lalina mba hikolokolo hatrany ny vatana na eo aza ny olana isan-karazany. Raha efa misy fiantraikany amin'ny fahasalamana ny tsy fahafehezan-tena ara-tsakafo dia tsy maintsy misy fitsaboana atao. Ampiarahana izany ny fitsaboana ara-batana sy ara-tsaina.

Ny fanampiana atao amin'ireo tratran'ny Trouble du Comportement Alimentaire

Mila faharetana sy finiavana ny fitsaboana ny Trouble du Comportement Alimentaire. Noho izany, mila fanohanana feno ilay olona tratran'izany aretina izany. Ny tena mahamaika dia ny fanavotana ny aina, indrindra raha lasa tsy ampy sakafo sy rano ilay olona. Ny vaindohan-draharaha faharoa dia ny famahana ny olana fototra izay mahatonga ilay marary mihinan-kanina na mifady hanina be loatra.

Lire la suite

Articles Similaires