Vidim-bary : Tafakatra hatramin’ny 4 200 ariary ny kilaon’ny vary avy eto an-toerana
Misy fiakarany ny vidim-bary avy eto an-toerana, na dia teo aza ny fameran’ny fanjakana izany ho 4 000 ariary ny kilao raha lafo indrindra.
Voatery mampakatra ny vidim-bary avy eto an-toerana ireo mpaninjara sy mpivarotra enta-madinika satria mitombo ny mason-karena. Amin’izao fahavaratra izao, saika saro-dalana ireo toerana tena mpamokatra vary. Vao nisy fiakarany rahateo ny solika. Mitombo araka izany ny saram-pitaterana vary. Tsy izany ihany fa eo ihany koa ny fihenan’ny vokatra. Taraiky mantsy ny nilatsahan’ny orana ka maro ireo mpamboly vary nisedra olana.
Miakatra ny vidim-bary avy eto an-toerana
Foto-tsakafon’ny Malagasy ny vary, na ho an’ny ankizy na ho an’ny olondehibe. Na misy aza ny fiakaran’ny vidim-bary dia miezaka hatrany ny tokantrano rehetra manao izay azo atao. Ny vary Malalioka dia 4 000 hatramin’ny 4 200 ariary ny kilao. Ny vary Manalalondo sy ny Dista dia 3 900 hatramin’ny 4 000 ariary ny kilao. Ny vary gasy kosa dia eo ho eo amin’ny 3 500 ariary ny kilao. Ny vary Semence no azo lazaina ho mora indrindra, izay 3 200 hatramin’ ny 3 500 ny kilao.
Midina ny vidim-bary avy any ivelany
Tamin’ny fiandohan’ity taona 2025 ity dia mbola 2800 ariary ny vidim-bary nafarana, izany hoe 800 ariary ny kapoaka. Nampidinina nefa izany ka lasa 2 700 ariary ny kilao, izany hoe 750 ariary ny kapoaka. Nisy moa ny sambo lehibe nitondra vary nafarana herinandro vitsy lasa izay, ka izany no nahafahana nampitombo ny karazam-bary nafarana eny an-tsena. Tsy ny eto Analamanga ihany no misitraka izany fa ny any amin’ny faritra hafa ihany koa : Atsinanana, Atsimo Andrefana, Itasy, Vakinankaratra, Amoron’i Mania. .
Tsy voatery ny mpanjifa rehetra nefa no tia ny vary stock, hoy ny mpivarotra iray nanaovana fanadihadihana. Maro ireo tsy mahazaka io karazam-bary io ka mividy ny vary avy eto an-toerana ihany na dia lafo aza. Ireo mpanao hotely izay mivarotra hani-masaka amin’ny vidiny tsy mihoatra ny 3 000 ariary no tena mpanjifa ny vary mora, araka ny fanadihadihana hatrany. Tsy azo lavina araka izany fa mbola ny vary avy eto an-toerana no mambabo ny mpanjifa, noho ny antony samihafa.
Mbola kely hatreto ny fanantenana ny amin’ny hidinan’ny vidim-bary vokarina avy eto an-toerana. Voafetra ny voka-bary, nefa mbola maro ny fahasarotana sedraina amin’ny fitsinjarana izany.