• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Envie De Bien Manger
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana "Flan à l’ananas"

11/02/2025 15:44 © Moov.Mg

Tsindrin-tsakafo tsotra, matsiro, mora karakaraina ary tsy dia mila akora be loatra ny flan à l’ananas. Afaka mankafy azy ity avokoa na ny ankizy na ny lehibe. Araho eto ary ny fomba tsotra fikarakarana io karazana mofomamy miavaka io.

Ireo zavatra ilaina raha hanao flan à l’ananas

-Mananasy 1 ;
-Siramamy 170g ;
-Tangozana lavanila singany 1 ;
-Ronono 0,5l ;
-Rhum 1 sotro fihinanana ;
-Atody 4 ;
-Sira 1 tsongo.

Ireo dingana amin’ny fanaovana azy

-Voasana ny mananasy ary tetehana madinika ny ¾. Atao anaty vilany ary rarahana siramamy 10g. Andrahoina amin’ny afo mahery mandritra ny 5 minitra dia bataina.
-Ampangotrahana miaraka ny ronono sy ny tangozana lavanila nosilahana roa. Rehefa mivadibadika dia esorina teo ambony afo. Avela hilona ao anatin’ny ronono mamay mandritra ny 3 na 4 minitra eo ho eo ny lavanila avy eo esorina ity farany.
-Kapohana amin’ny "fouet" ao anaty saladier ny atody sy ny ambin’ny siramamy mandrapahazoana fangaro mibontsina tsara sy fotsy. Arotsaka ao ny rhum sy ny sira. Avy eo araraka tsikelikely ny ronono sady kapohana tsara amin’ny fouet mba hahazoana fangaro malama.
-Alaina ny 1/3 ny mananasy nandrahoina tao anaty vilany avy eo potserina ao anaty mixeur mba ahazoana « purée ». Arotsaka ao anatin’ilay fangaro tao anaty saladier teo ity farany dia afangaro tsara.
-Alahatra ao anatin’ny lasitra (moule) ny ambin’ny mananasy voatetika avy eo rakofana ilay fangaro tao anaty saladier. Apetraka eo ambony plat jobo fanao anaty lafaoro izay nasiana rano mahafeno ny tapany ilay lasitra.
-Atsofoka anaty lafaoro amin’ny hafanana 180°C mba ho andrahoina atao « bain-marie » ny flan à l’ananas. Mila 25 minitra ny fahamasahany. Tsindromina kely amin’ny lohan’antsy ny flan ka rehefa tsy manaraka intsony dia vita.
-Avela hangatsiaka. Rehefa hihinana azy mihintsy vao esorina tao amin’ny lasitra. Haingoana amin’ny ambin’ny mananasy manta notetehana araka izay itiavana azy.

Lire la suite

Articles Similaires