• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Topsante
Image
Asa & Fianarana

Te hatory ao am-piasana : ahoana no atao hanoherana izany ?

11/02/2025 11:16 © Moov.Mg

Isan’ireo toe-javatra mateti-pitranga amin’izao vanim-potoana mafana izao ny hoe rendremana na te hatory mandritra ora fiasana. Mety misy fiantraikany amin’ny kalitao sy ny fanatanterahana ny asa moa izany. Inona àry ny antony mety mahatonga ny olona ho rendremana ao am-piasana ? Ahoana ny fomba atao hanoherana izany ?

Ireo antony maha rendremana na te hatory ao am-piasana ?

Tranga fahita ary mety misy fiantraikany ratsy eo amin’ny asa ny faharendremana na ny hoe te hatory mandritra ny ora fiasana. Mizara roa lehibe ireo anton-javatra mety mahatonga azy io.

Ireo anton-javatra ivelany mahamparendremana ao am-piasana

-Ny tontolo iasana. Ny toeram-piasana maizimaizina, mihibokiboka tsy ampy rivotra… dia mety hampalemilemy sy hampidina ny fahazotoana ka lasa maharendremana na te hatory mandritra ny ora fiasana.
-Ny fiovaovan’ny ora fiasana. Raha miovaova ny ora fiasana, izany hoe indraindray miasa alina dia indraindray miasa atoandro, dia mety lasa voakorontana ny kalitaon’ny torimaso.

Ireo anton-javatra avy amin’ilay mpiasa

-Ny fikorontanan’ny torimaso dia mahatonga ilay mpiasa ho rendremana te hatory ao am-piasana : tsy fahampian'ny torimaso, fandraisana fanafody mampatory, sns ;
-Ny fomba fiaina tsy mivaky loha : tsy fanaovana fanatanjahantena, ny tsy fahampiana torimaso, ny sakafo tsy ara-pahasalamana, ny fisotroana kafe na zava-pisotro misy alikaola be loatra …

Ireo torohevitra hanoherana ny torimaso mandritra ny ora fiasana

Azo atao tsara ny manohatra ny faharendremana na ny hoe te hatory mandritra ny ora fiasana. Anisan’ireo torihevitra manampy amin’izany ny :
-Fanamboarana ny fomba fiaina : tao ampy tsara ny torimaso, manao fanatanjahantena isan’andro, ferana ny fisotroana kafe sy toaka, sakafo ara-pahasalamana no hanina… ;
-Fandaminana ny tontolo iasana : atao azon’ny rivotra sy mangatsitsiaka ny toerana hiasana. Ampiana ihany koa ny hazavana ao raha toa ka maizimaizina… ;
-Asa sarotra sy mampientana ny atidoha no atao rehefa mitady ho rendremana. Izany hoe fantarina mialoha ny fotoana hahatsapana manomboka kamokamo na te hatory ao anatin’ny tontolo andro. Amin’io fotoana io no hanaovana ireo asa mafimafy mila fampiasana saina be. Araka ny fanazavan’ireo mpikaroka mantsy dia manampy amin’ny fanoherana ny torimaso ao am-piasana ny fanaovana asa sarotra sy mila fitantohana raha vao manomboka te hatory iny ;
-Fanaovana « micro-sieste » : raha tsy voatohatra mihitsy ny torimaso ao am-piasana dia tsara raha matory atoandro kely 15 hatramin’ny 20 minitra eo ho eo. Rehefa mifoha avy eo dia afaka tanteraka ny rendremana ary vonona hiasa tsara ny saina sy ny vatana. Tandremana tsara kosa nefa mba tsy hihoatra io fotoana io ny fatoriana atoandro satria mety vao maika maha-te hatory izany ;
-Fampifaliana ny tena : azo atao tsara ny mihaino hira mampientanentana na mijery horonan-tsary fohy mahaliana na mampiomehy. Rehefa mientanentana tsara ny saina dia ho afaka ho azy ny fahatsapana te hatory na ny rendremana mandritra ny ora fiasana.

Lire la suite

Articles Similaires