• Cours de change
  • 5091.92 AR
  • |
  • $4456.06 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena
Image
Vaovao

Polisim-pirenena : Nitondra ny anarana « Maneva » ireo mpianatra miisa 1 150 vaovao

10/02/2025 16:42 © Moov

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny lanonana fanehoana ho ambany faneva ireo mpianatra ho Polisim-pirenena vaovao. Manaraka fiofanana ao amin'ny ENIAP (École Nationale des Inspecteurs et Agents de Police) Antsirabe ireo mpianatra miisa 1 150 ireo. Tonga nitarika ny lanonana tamin’izany ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police Rakotoarimanana Herilala.

Hanatratra ny « fanjakana tsara tantana »

Mitondra ny anarana hoe « Maneva » ireto mpianatra ho Polisim-pirenena andiany faha-30 ireto. Nomena tso-drano izy ireo, taorian’ny fiofanana naharitra 45 andro ary nohafatrafarana ihany koa. Nanambara ny Minisitra fa fanatanterahana ny politikam-panjakana hanatrarana ny fanjakana tsara tantana sy ny fijerena ny maha-olona izao fampitomboana isa ny Polisimpirenena izao, indindra fa rehefa tonga ny fotoana hidiran'ireto mpianatra ireto amin'ny sehatry ny asa. Tsara ny manamarika fa hanomboka ny fiofanana ara-teoria sy fampiharana momba ny asan'ny Polisim-pirenena izy ireo, hahafahany miditra eo amin’ny tontolon’ny asa rehefa avy eo. Nisaotra ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, noho ny naneken'izy ireo ny fandraisana mpianatra vaovao ho Polisim-Pirenena tamin'ny alalan'ny fifaninanana. Raha tsiahivina mantsy dia saika najanona avokoa ny fandraisana mpiasam-panjakana afatsy ny ao amin’ny Tafika irery ihany.

Miisa 153 ny vehivavy

Miisa 150 ny mpianatra ho « inspecteur de Police », ary miisa 1000 kosa ireo mpianatra ho « Agent de Police ». Nomarihina fa ny miisa 153 tamin’ireo andiany Maneva ireo dia vehivavy avokoa. Ny Tafika malagasy ihany koa moa dia mampiroborobo ny fitoviana amin’ny fampidirana vehivavy maro an’isa, ao anatin’ity sehatra ity. Namporisika ireo mpianatra mba hitozo hatrany amin'ny fanarahana ny fitsipi-pifehezana izay fototry ny fiofanana ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka. Izany hoy izy no hahafahana manatanteraka ny adidy masin'ny Polisim-pirenena dia ny fiarovana ny olona sy ny fananany, sy ny fampiharana ny lalàna.

Lire la suite

Articles Similaires