Rano amin'ny lava-drano : Ahoana ny fanadiovana azy ?
Tsy vitsy ireo mampiasa lavadrano na eto an-drenivohitra na any ambanivohitra. Mora kokoa ny fahazoana rano, indrindra amin'izao fahavaratra izao. Mba ho fitandrovana ny fahasalamana nefa,tokony diovina tsara ny rano vao ampiasaina.
Fampangotrahana rano
Tsy tokony sotroina avy hatrany ny rano azo avy amin'ny lava-drano. Tsara raha ampangotrahina izany vao sotroina na ampiasaina andrahoana sakafo. Mila manana "seau" maromaro araka izany mba hanokanana ireo rano efa avy nampangotrahina. Atao anaty "thermos" kosa ny rano nampangotrahina tiana hafana mandritra ny ora maromaro.
Raha manana zazakely na ankizy, tokony ampangotrahina ihany koa ny rano hisasana sy handroana. Mety misy mikraoba tsy zakan'ny hoditra mbola marefo mantsy. Tsara ihany koa raha rano avy nampangotrahina hanasana loha sy tarehy ary taovam-pananahana ho an'ny olon-dehibe.
Fampiasana eau de javel
Azo atao tsara ny manadio ny rano azo avy amin'ny lava-drano amin'ny "eau de javel". Atao izany amin'ireo rano ampiasaina ao an-tokatrano, indrindra fa ao an-dakozia : hanasana legioma sy voankazo, hanadiovana vilany sy vilia, sns. Azo atao ihany koa ny mandrotsaka ny "eau de javel" ao anatin'iay vovo avy hatrany, ka atao ny hariva izany, ary ny ampitson'iny vao maka rano ao indray. Marihana fa tsy manafoana ny tokony hampangotrahina ny rano sotroina mihitsy ny fanadiovana ny rano amin'ny "eau de javel".
Tsara raha mampanao "analyse" ny kalitaon'ny rano azo avy amin'ilay lava-drano, farafahakeliny indray mandeha isan-taona. Izany no antoka hahafantarana raha misy bakteria mampiahiahy ilay rano. Ho mora kokoa ny handray fepetra amin'ny fanadiovana rano avy eo.
Fampiasana fitre à eau
Efa misy ireo fitaovana fanadiovana rano azo avy amin'ny lava-drano. Mandalo ny antsoina hoe "fitre à eau" ny rano, ka azo sotroina avy hatrany avy eo. Tsy ireny "filtre" mahazatra eny an-tsena ireny akory no ampiasaina, fa fitaovana voatokana mihitsy. Mila manomana vola misimisy kely araka izany, mba hahazo rano azo antoka tsara.