• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © We Are South Africans
Image
Vaovao

Fiantraikan’ilay andro ratsy Faida : Mponina 330 isa any Atsinanana no traboina

04/02/2025 16:47 © Moov.Mg

Namela takaitra tany amin’ny tapany atsinanan’i Madagasikara ilay andro ratsy Faida. Araka ny antontan’isa voaray farany, androany 4 febroary 2024 tamin’ny 12 ora antoandro, dia misy ireo olona traboina ary misy ihany koa ireo fonenana dibo-drano.

Nafindra toerana

Raha tsiahivina dia efa nihena ny herin’ilay rivo-doza Faida, ka manana tanjaka « Tempête Tropicale Modérée » (TTM) izy araka ny fampitam-baovao farany avy amin’ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro eto Madagasikara. Na tsy nahery araka ny nieritreretana azy aza ity andro ratsy ity, dia nitondra rivotra sy orana kosa, izay nahakasika ny tapany atsinanan’ny Nosy.

Araka izany, mponina miisa 330 isa, na tokantrano 92 isa, no traboina, araka ny antontan’isa voaray avy eo anivon’ny Birao nasiônaly misahana ny Tandindon-doza sy ny Loza (BNGRC), androany tamin’ny 12 ora antoandro. Ny 313 tamin’ireo dia mponina ao amin’ny Boriborintany efatra ao amin’ny Disrikan’i Toamasina I. Ny 17 kosa dia mponina ao Fenoarivo Atsinanana. Olona miisa 330 ihany koa, avy amina tokantrano miisa 94, no voatery nafindra toerana eny amin’ireo ivon-toerana fandraisana traboina vonjimaika. Raha ny momba ny fotodrafitrasa moa dia trano fonenana miisa 90 no tratran’ny fiakaran’ny rano.

Fiakaran’ny rano

Raha ny fampitam-baovaon’ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro eto Madagasikara, androany tamin’ny 9 ora maraina moa, dia mbola tao amin’ny ranomasimbe Indianina ilay rivo-doza Faida, fa tombanana ho levona an-tanety ao amin’ny ilany atsinanan’ny Nosy izy ao anatin’ny 24 ora manaraka. Entanina ho mailo hatrany, noho izany, ireo mponina manamorona ny reniranon’i Rianila, Ivondro, Onibe, Maningory, Betsiboka, Sofia, Mahavavy Sud sy Mahajamba ary ireo mipetraka amin’ny faritra iva, amin’ny mety ho fiakaran’ny rano.

Lire la suite

Articles Similaires