• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Olan’ny Faritra mando : Mihatototry ny atsanga tsikelikely ny farihin’i Mandroseza

04/02/2025 10:17 © Moov.Mg

« Ny fiarovana ny faritra mando dia fitsinjovana ny hoavy iombonana » no lohahevitra nentina nanamarika ny andro maneran-tany ho an’ny Faritra mando teto Madagasikara, omaly 3 febroary 2025. Teny amin’ny farihin’i Mandroseza, eny amin’ny Boriborintany faha-2 ao anatin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra no nanatanterahana ny fankalazana nasiônaly.

Very ny hadirin’ny rano

Nampahatsiahy ny teo anivon’ny Jirama, izay mampiasa ity farihy ity mba hamatsiana rano ny mponin’Antananarivo, fa efa hatramin’ny faha-mpanjaka no nampiasaina ho loharano fisotro ity farihy ity, izay mbola voajanahary tamin’izany androny. Tamin’ny fotoanan’ny fanjanahan-tany no nanajariana azy hahazo ny endriny ankehitriny. Amin’izao fotoana izao anefa dia misedra olana ity farihy ity, noho ny fiovan’ny toetry ny andro, fa ihany koa, vokatry ny ataon’olombelona, toy ny tsy fanajana ny tsy fahazoana manorina sy miasa, manodidina sy ao anaty farihy.

Amin’ny ankapobeny dia 2m,50 ny halalin’ny farihin’i Mandroseza ary mahatratra 4,50m ny faritra tena lalina indrindra. Mitahiry rano manana hadiry 800 tapitrisa litatra izy. Noho ny fahasimban’ny tontolo iainana any amin’ireo sahan-driaka mamatsy ny reniranon’Ikopa anefa dia manomboka tototry ny antsanga tsikelikely ity farihy ity, ka 17 tapitrisa litatra isan-taona ny fitomboan’ny fahatotorana. Noho ireo olana rehetra ireo dia miharatsy ihany koa ny kalitaon’ny rano. « Raha samy manao ny andraikitra tandrify azy ny tsirairay : tsy mandoro, tsy manarinary fako… dia efa mety hitondra fiarovana ho an’ny faritra mando izany », hoy ny minisitry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, Andrianamelasoa Lalaina, izay isan’ny nanome voninahitra ity fanamarihana nasiônaly ity.

Misedra ambana

Nisongadina nandritra ny fanamarihana fa miantoka ny ampahany betsaka amin'ny famatsiana rano, ireo faritra mando. Singa iray manan-danja eo amin'ny sehatry ny fambolena ihany koa ny rano. Ireo farihy ananantsika, toa an'Alaotra, Tsimanampetsotsa sy i Mandroseza, no manangona ny rano sy mitahiry azy rehefa avy ny orana, hoy ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Max Andonirina Fontaine, izay nitarika ny fankalazana. Rehefa misy ny hain-tany, toy ny ankehitriny, dia ireo faritra mando ireo ihany no mamerina ny rano tsikelikely. Ny rano sotroina, ahandroana, idiovana, anjonoana, dia miankina amin’ny Faritra mando avokoa, hoy izy, nanamafy. Eo anatrehan'izay maha-zavadehibe azy izay anefa, dia rohivoahary isan'ny misedra ambana indrindra ireo faritra mando maneran-tany ary tsapa ihany koa izany eto Madagasikara, toy ny trangana tsy fahampian'ny tosiky ny rano eto Antananarivo.

Taorian’ny lanonam-pankalazana ôfisialy dia nitsidika ny Jirama Mandroseza ireo manam-pahefana.

Lire la suite

Articles Similaires