• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Météo
Image
Vaovao

Rivodoza FAIDA : Afa-doza i Madagasikara

04/02/2025 06:35 © Moov

Nihena ny herin’ny Rivodoza Faida ka tsy misy atahorana intsony na hiditra eto Madagasikara aza.

Omaly 3 febroary, efa nandray fepetra hentitra ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny tao amin’ny faritra Atsinanana. Tafiditra tao anatin’izany ny fampiatoana ny fampianarana. Nanomboka ny alina teo ihany koa dia natsahatra ny fampiasana ireo lalampirenena RN2, RN5 sy RN11A, na ho an’ireo olontsotra na ireo fitateram-bahoaka. Efa tsy mihatra na manambana intsony nefa ny loza ka miverina amin’ny laoniny ny fiainana andavan’andro.

Filazana manokana mikasika ny Rivodoza Faida

Mbola tombanana hiditra an-tanety eto Madagasikara, eo anelanenan'i Fenoarivo Atsinanana sy Brickaville ny rivodoza Faida, androany 4 febroary, tolakandro.
Tamin’ny 04 ora maraina teo dia any amin’ny manodidina ny 95 Km Atsinanana somary atsimo atsinanan’i Toamasina no nisy ny foibeny. Nihena ny heriny nohon’ny fikorontanana nihanahazo vahana tato anatin’ny ora vitsivitsy farany. 55 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra mahalana 70 Km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niadana dia niadana niakandrefana izy ka nahafaka 03 Km/ora.
Tsy misy atahorana firy intsony araka izany ny hamafin’ny rivotra miaraka aminy. Na izany aza dia vinavinaina ho betsaka hatrany kosa ny rotsak’orana (mihoatra ny 100mm/24 ora) amin’ny faritra rehetra izay ho lalovany.

Fampitandremana

Tsy misy intsony ny loza mihatra sy manambana. Foana tanteraka ny filazana loza ho an'Ambatosoa sy Antalaha. Fanambarana fahamailoana miloko manga sisa no mahakasika an'Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Mandritsara ary Befandriana Avaratra ;
Entanina ihany koa ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Maroantsetra sy Mananjary mbola tsy hiandriaka satria mikorontana ny toetry ny andro. Araho mandrakariva ny toro-marika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.

Lire la suite

Articles Similaires