Haran-dranomasina ao Itampolo : Anatanterahana andrana hamerenana azy amin’ny laoniny
Mihasimba tsikelikely ny vatohara (récifs coralliens) maro eto Madagasikara tao anatin’ny folo taona. Voakasik’izany ny any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, izay manana ny haran-dranomasina fahatelo lehibe indrindra eto amintsika.
Zava-manan’aina an-dranomasina
Iangonan’ny harena voajanahary tsy manam-paharoa ny any ambanin’ny ranomasina. Ny haran-dranomasina no isan’ny miantoka ny fahaveloman’ireo zava-manan'aina an-dranomasina, noho izy manadio sy manatsara ary miaro ny tontolo iainana an-dranomasina amin’ny ankapobeny. Araka izany dia manan-danja be ihany koa ny fisiany, ho an’ireo mponina amoron-tsiraka, izay mivelona amin’ny fihariana an-dranomasina.
Noho ireo antony ireo dia tsy maintsy arenina ny vatohara ahitana fahasimbany. Iray volana lasa izay no nanombohan’izany tetikasa fanarenana izany, any amin’ny faritra Mahafaly, any amin’ny Faritra Atsimo Andrefan’i Madagasikara. Ny mponina eny ifotony no manatanteraka izany, miaraka amin’ireo teknisianin’ny Tahiry Eran-tany ho an'ny Natiora (WWF). Ao Itampolo, no nanombohana ny fanarenana, noho ireo vatohara ao an-toerana tena ahiana, vokatry ny ataon’olombelona sy ny fiovan’ny toetr’andro.
Ahitam-bokatra tsara
Tamin’ny volana desambra 2024 no napetraka ny toeram-pambolena haran-dranomasina (pépinières de coraux) voalohany. Iray volana aty aoriana, hita fa mitombo tsara ny 99% amin’izy ireo, ka mahavelom-panantenana izany, amin’ny fahafahana mamerina indray ny haran-dranomasina simba. Tombanana ho amin’ny volana aogositra 2025 no hanatanterahana ny fambolena ireo haran-dranomasina amin’ny vatohara.
Raha atotaly dia miisa 122 ireo rafitra ho an’ny fanarenana ny haran-dranomasina naorin’ireo mponina any an-toerana, ka nanohana ara-teknika, nandritra izany, ny IHSM (Institut Halieutique et des Sciences Marines), niaraka tamin’ny fanohanan’ny WWF. Hatramin’izao, 24 amin’ireo rafitra ireo no efa nampidirina any anaty ranomasina. Ampahana haran-dranomasina 1 920 isa kosa no efa napetraka any amin’ny toeram-pambolena.
Tsy maintsy misy ny fanaraha-maso akaiky atao amin’ireo toeram-pambolena mandritra ny herinandro maromaro ho avy, noho ny hafanan’ny ranomasina izay manodidina ny 29°C, sy noho ny rotsak’orana mafy nitranga tato ho ato, izay nitondra faikampaikan-javatra (sédiments) nipetraka eny ambonin’ny haran-dranomasina, ka mety hanimba azy ireo.