Indianapolis Prize 2025 : Tafakatra amin’ny dingana famaranana ny Pr René de Roland Lily-Arison
Iray amin’ireo mpiaro ny tontolo iainana maneran-tany miisa 6, voafantina ka hiatrika ny famaranana amin’ny fahazoana ny mari-pankasitrahana Indianapolis Prize ho an’ity taona 2025 ity, ny Pr René de Roland Lily-Arison, tale nasiônalin’ny tetikasa The Peregrine Fund eto Madagasikara.
Mpiaro ny tontolo iainana
Mari-pakasitrahana isan’ny goavana indrindra, azo ampitahaina amin’ny « Prix Nobel », ny Indianapolis Prize. Atolotra ho an’ireo mpiaro ny tontolo iainana, indrindra ireo mpiaro ny biby, izay nisongadina teo amin’ny sehatr’asa ataony, ity mari-pankasitrahana ity. Nisy 44 ireo voatonona hifaninana amin’ny fahazoana ity mari-pankasitrahana ity, tany am-boalohany. Isan’ny mason-tsivana napetraka tamin’ny fisafidianana azy ireo ny vokatry ny asa fiarovana nataony, izay tokony ho azo refesina ; ny taona efa nolaniany ho an’izany asa fiarovana ny tontolo iainana izany ; ny fahaizana miara-miasa amin’ireo mpiaro ny tontolo iainana hafa… Tanjon’ity mari-pankasitrahana ity ny hanasongadinana ireo mpiaro ny tontolo iainana izay nahavita be, satria noho ny asa tanterahin’izy ireo dia misy fanatenana kokoa ny hoavin’ireo karazana biby isan’ny marefo indrindra eto amin’ity planeta misy antsika ity, hoy ny Dr Rob Shumaker, filoha tale jeneralin’ny « Indianapolis Zoo ».
Mari-pankasitrahana
Araka izany, manana erijika ny ho tera-tany Malagasy voalohany hahazo ny mari-pankasitrahana Indianapolis Prize ny Pr René de Roland Lily-Arison. Manam-pahaizana momba ny fandinihana ny vorona (ornithologue) izy ary tale nasiônalin’ny tetikasa The Peregrine Fund eto Madagasikara. Izy no angady nananana sy vy nahitana ny famoronana faritra arovana miisa 5 eto amintsika, izay mirefy 3 900 km², raha atotaly. Nitana anjara toerana goavana ihany koa izy teo amin’ny famantarana karazam-biby maro, toy ny onjy na ganagana fotsimaso (Aythya innotata), ny karazana ala antsoina hoe : « araignée-loup », na ihany koa ny varika. Mampihavana ny olombelona amin’ny natiora ny asa ataony ary manampy amin’ny fiarovana ireo karazam-biby ahiana ho lany tamingana eto Madagasikara.
Hotolorana mari-pankasitrahana 50 000 dôlara avy ireto mpiaro ny tontolo iainana miisa 6, tafakatra amin’ny dingana famaranana ireto, mba ho fanohanana azy ireo amin’ny ezaka ataony ho fiarovana ny natiora.