Mampiasa « écrans » be loatra : torohevitra hampitoniana ny harerahan’ny maso
Maro amintsika tokoa ny mijery « écrans » mandritra ny ora maro ao anatin’ny tontolo andro. Solosaina, finday, tablette, fahitalavitra… maro ireo fitaovana ampiasaintsika amin’ny andavanandro. Isan’ireo antony lehibe mandreraka ny maso moa izany ary mety hitarika areti-maso rehefa ela ny ela. Ahoana ny fisehon’ny harerahan’ny maso vokatry ny fampiasana « écrans » be loatra? Inona ny fomba atao ampitoniana izany ?
Ireo fambaran’ny harerahan’ny maso vokatry ny fijerena « écrans » be loatra
Olana iray mahakasika olona maro ny harerahan’ny maso na ny atao hoe « asthénopie ». Maro ireo antony mety mahatonga azy io ka anisan’izany ny fampiasana « écrans » be loatra. Rehefa reraka ny maso dia :
-Mavaivay sy lasa mavesatra be izany ny maso ;
-Menamena na mamoaka ranomaso ho azy ;
-Manjavozavona na mihena ny fahitana ;
-Sahirana mifantoka ;
-Marary an-doha ;
-Manaintaina ny vozona na ny soroka ;
-Tsy mahazaka hazavana ny maso ;
-Lasa sahirana manao « lentilles de contact » nefa efa mpanao izany.
Marihana fa tsy voatery hitovy ny fisehon’ny havizanan’ny maso vokatry ny fampiasana « écrans » be loatra eo amin’ny olona tsirairay. Raha toa kosa ka miseho ny iray na ny maro amin’ireo voalaza ireo dia mety efa fambabaran’ny harerahan’ny maso izany.
Ireo fomba atao hampitoniana ny harerahan’ny maso
Maro ireo fomba azo atao hampitoniana ny harerahan’ny maso ka anisan’izany ny :
-Fiatoana kely matetika. Raha miasa amin’ny « écran » dia mila miato isaky ny 20 minitra. Tsy voatery hitsangana sy hanalavitra ny birao foana fa azo atao ny mitodika miala ny « écran » sady mandinika zavatra lavitra mandritra ny minitra vitsy.
-Amboarina ny hazavan’ny « écran ». Mila atao mifanaraka amin’ny hazavana manodidina ny hazavan’ny « écran » ampiasaina mba tsy handreraka be ny maso. Ampiharina amin’ny fitaovana nomerika rehetra ampiasaina izany, na solosaina, finday, tablette na fahitalavitra.
-Fampiasana « filtre anti-lumière bleue ». Ity farany dia manampy amin’ny fampihenana ny « exposition » ny maso amin’ny « lumière bleue » izay havoakan’ny « écran » ary tena manimba maso.
-Akipikipy matetika ny maso. Ny fanaovana izany dia manamandina ny maso ka miaro azy tsy ho makiana. Tsy adinoana ihany koa ny misotro rano tsara mba ho ampy rano hatrany ny vatana sy ny maso.
-Manantona mpitsabo raha maharitra na miverimberina loatra ny harerahan’ny maso. Ny mpitsabo no afaka mamaritra ny anton’izany sy manome ny fitsaboana sahaza.