• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Starting Block
Image
Asa & Fianarana

Ireo « soft skills » na fahaiza-manao sy fifandraisana tadiavin’ny mpampiasa

29/01/2025 16:36 © Moov.Mg

Maro ankehitriny ireo olona manana diplaoma sahirana mahazo asa. Miroborobo tokoa ankehitriny ny teknolojia samihafa hany ka tsy ampy hahazoana asa intsony ny fahaiza-manao sy ny traikefa. Ankoatra ireto farany dia omen’ny mpampiasa lanja ihany koa ny « soft skills » eo amin’ireo mpiasa raisiny. Fa inona tokoa ary ireo « soft skills » tadiavin’ny mpampiasa ?

Inona no atao hoe « soft skills » ?

Marihana fa misy karazany roa lehibe ny fahaiza-manao na ny atao hoe « skills ». Ny voalohany dia ny « hard skills » izay fitambaran’ireo fahaiza-manao teknika toy ny fahafehezana teny vahiny, logiciel, fitaovana indostrialy… Etsy andaniny dia misy ny « soft skills ». Ireto farany kosa dia ny fahaiza-manao ara-pitondran-tena sy ara-pifandraisana. Tena ilaina tokoa ny « soft skills » amin’ny fampandehanana tsara ny asa sy hampivelarana ny orinasa.

Inona avy ary ireo « soft skills » tadiavin’ny mpampiasa amin’ny mpiasa ?

Mahazo vahana kokoa ankehitriny ireo mpitady asa manana fahaiza-manao ara-pitondran-tena sy ara-pifandraisana raha mitaha amin’ireo izay mahavoafehy ny fahaiza-manao teknika fotsiny ihany. Anisan’ireo « soft skills » tadiavin’ireo mpampiasa ny :
-Fahafehezana ny serasera. Izany hoe mila mahay maneho hevitra tsara rehefa miteny sy rehefa manoratra. Mahay mihaino tsara sy mandray ny hevitra ampitain’ny olona hifampiresahana ;
-Fahaizana miara-miasa amin’ny hafa. Izany hoe mahavita miara-miasa amin’ny mpiara-miasa rehetra, mifanakalo sy mifampizara hevitra mba ahafahana mamaha olana miaraka ;
-Fahaizana manaraka ny fiovana. Mora mivoatra ny sehatry ny asa. Noho izany dia mitady olona mahay manaraka ny fiovana sy ny toe-javatra vaovao, na eo amin’ny lafiny teknolojia izany na amin’ny zava-tsarotra ;
-Fahafahana mamaha olana. Izany hoe ny fahafahana mamakafaka ny toe-java-misy, mamantatra ny olana sy mitady ireo vahaolana ilaina ;
-Fizakan-tena amin’ny fanatanterahana ny asa. Izany hoe tsy miankin-doha amin’ny hafa amin’ny fanaovana ny asa ary mahay mandray fanapahan-kevitra ;
-Fahaizana mifehy ny toe-po. Mila mahay mamantatra ny toe-pon’ny tena sy ny an’ny hafa, mifehy ny rarintsaina sy ireo tsy fitovian-kevitra mba hampizotra tsara ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miasa.

Lire la suite

Articles Similaires