• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mouvement Metrop
Image
Fahalalana Ankapobeny

'Ndao andramana ny "Slow living" : Miaina milamina, miaina miadana kokoa

29/01/2025 09:05 © Moov

Marobe isika no mirotoroto isan'andro : manenjika fotoana, mikarakara mpianatra, mitsabo marary, sns. Matetika dia tsy misy fotoana handaminana sy hakana aina, satria mihafohy na ny fotoana hatoriana aza. Mety azo ampiharina tsara ny "Slow living" mba hankafizana kokoa ny fiainana.

Tany Italie no namoronana ny "Slow living" tamin'ny taona 1980 tany ho any. Noho ny fisian'ny "fast-food" no nanaitra ny mpanao gazety iray ka nanentanany ny olona tsy ho roboka amin'ny sakafo tsy ara-pahasalamana noho ny hamehana lava. Niitatra izany avy eo ka ny fomba fiaina mihitsy no voakasika, noho ny olona lasa maika lava.

Fomba fiaina miadana kokoa

Karazana fomba fiaina ny "Slow living". Manentana ny olona izy io mba hankafy ny segondra rehetra iainana, na dia eo aza ny adidy sy andraikitra maro samihafa.
Ireto àry ireo teboka tsara arahina amin'izany :
-Amboarina ny fandaharam-potoana, ka asiana fotoana hakana aina, hikarakarana ny ankohonana, ary hikarakarana ny tena manokana. Tsara raha vitaina any am-piasana ny asa rehetra mba tsy hangalatra ny fotoana kely iarahana amin'ny ankohonana any an-trano ;
-Ahena ny fampiasana fitaovana avolenta isan-karazany sy ny fijerevana fahitalavitra, ka soloina fifandraisana mivantana izany. Tsy mahasoa mihitsy ny filalaovana finday mandritra ny fiaskafoanana na ireo fotoana kely iarahana amin'ny ao an-trano. Manapoizina ihany koa ny tsy fananana fiainana tena izy fa variana fotsiny amin'ny fiainana "virtuel". Maro ohatra ireo manana namana aman'arivony amin'ny Facebook, fa rehefa manana olana dia tsy misy mamonjy na iray aza ;
-Mikarakara sy mihinana sakafo ara-pahasalamana, mba hankafy ireo vokatra azo antoka hita eny an-tsena. Entanina ny rehetra tsy hankafy ny "fast-food", dia ireo kiendiendy sy sakafo be akora simika, na toa matsiro am-bava aza ;
Karakaraina tsara ny toerana honenana, ka ezahina alamina tsara ny trano isan'andro. Esorina avokoa ireo fanaka na zavatra na akanjo sy kojakoja isan-karazany efa tsy ampiasaina intsony ;
-Manandrana ny fikisahana miadana (mobilité lente). Tsara raha tsy mirotoroto rehefa hiasa iny. Azo atao tsara ny mandeha aloha ka mampiasa bisikileta ohatra. Raha tsy maintsy mampiasa fiara sy kodiaran-droa amin'ny andavan'andro dia misitraka ireo fitaovana mandeha miadana rehefa faran'ny herinandro. Azo atao tsara ny mandeha fiarandalamby miaraka amin'ireo olona akaiky.

Fikajiana ny vatana sy ny saina

Manome lanja manokana ny tena ny "Slow living". Mila manokana fotoana ho an'ny tena manokana ny tsirairay, na dia manana ankohonana aza. Antoky ny fahasalaman'ny vatana sy ny saina izany.
Ireto avy ireo hevitra mety mahasoa amin'izany :
-Tsy mibedy tena loatra : Maro ireo tsy mahafehy intsony ny rarintsaina sy ny fihetseham-po, noho ny fikendrena ny tongalafatra. Manimba nefa ny manamelo-tena lava rehefa misy tsy fahombiazana. Ny tsy fahombiazana mihitsy aza no hery manosika hahavitana zavatra tsaratsara kokoa.
-Tsy mifikitra amin'ny zavatra na olona mampijaly : Tafiditra ao anatin'ny fomba fiaina "slow living" ny fialana amin'ny zavatra na olona tsy mampivoatra amin'ny fiaianana. Manangona àry hery ialana amina "relation toxique" na amina asa izay tsy mampandroso intsony. Ilaina ny tsy mieritreritra firy ny taona maro hoavy amin'izany, fa mandinika miadana izay mahasoa ao anatin'ny fotoana fohy.
-Mitokana : Tena ilaina ny mandeha irery amina toerana mangina mahafinaritra, mba hakana aina. Adinoina amin'izany ireo zavatra mampiahiahy rehetra ka heverina indray ny hanatanterahana ireo nofinofy hatrizay. Na lahy na vavy, azo atao tsara ny mikarakara vatana, na dia miova ny endriky ny volo fotsiny aza.

Lire la suite

Articles Similaires