• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Femme Actuelle
Image
Fahalalana Ankapobeny

Torohevitra hisorohana ny loto manelingelina amin’ny solomaso

27/01/2025 14:55 © Moov.Mg

Manampy betsaka hanasitranana ny maso marary sy hanatsarana ny fahitana ny solomaso. Rehefa maloto ny veran’ny solomaso dia sady manelingelina ny fahitana no ratsy endrika. Ireto ary misy torohevitra hanadiovana ny veran’ny solomaso sy mampadio azy maharitra kokoa.

Ireo fomba samihafa hanadiovana ny solomaso

Mora maloto sy misy tasy tokoa ny veran’ny solomaso. Vao voarain’ny tanana, tratry ny enton’ny sakafo, tratry ny vovoka… dia mamaritra ny loto ka lasa manelingelina ny fahitana. Ny fomba voalohany hiadiana amin’ireo loto amin’ny solomaso moa dia ny fanadiovana tsara ity farany. Maro ireo fomba azo atao :
-Mampiasa « spray à verres ». Izy ity moa no vokatra manokana natao hanasana ny veran’ny solomaso. Afaka vidiana eny amin’ny mpivarotra solomaso moa izy ity. Manala ireo karazana loto miraikitra eo amin’ireo vera ny « spray à verres » sady tsy manimba izany. Atsifitra eo amin’ny vera ilay « produit » avy eo fafana mora amin’ny lamba malefaka.
-Sasana amin’ny rano sy savony. Raha tsy misy « spray à verres » dia fomba tsotra afaka hanadiovana ny solomaso ihany koa ny fampiasana rano sy savony. Tsotra ny atao, sasana amin’ny ranon-tsavony ny solomaso dia kosehana mora amin’ny tanana ny vera. Rehefa vita dia kobanina ary avela ho maina ho azy. Tsy dia tsara kosa ity torohevitra ity raha vy ny tahon’ny solomaso satria mety ho lasa arafesina.
-Diovina amin’ny rano sy vinaigitra fotsy. Akora efa fampiasa amin’ny fanadiovana samihafa ao an-trano ny vinaigitra fotsy. Afaka hanadiovana ny veran’ny solomaso ihany koa izy io ary tsy atahorana hanimba azy. Tapohana rano ny vinaigitra ary io no ampiasana hanadiovana ny veran’ny solomaso. Avy eo fafana moramora amin’ny lamba malefaka mba hiala tsara ireo loto.

Fanamarihana

Mba hampaharitra ny fahadiovanan’ny solomaso dia misy ireo fitandremana tsara atao :
-Fadiana ny mikitika ny veran’ny solomaso rehefa manao azy. Mora mametraka diany ny tanana na dia madio aza. Raha mila esorina ny solomaso dia ny tahony ihany no handraisana azy.
-Lamba madio sy malefaka hatrany no hamafana ny solomaso. Tandremana manokana mba tsy hisy menaka ny lamba ampiasaina satria isan’ny sarotra esorina ny menaka raha mipetaka eo amin’ny veran’ny solomaso.
-Fadiana arak’izay azo atao ny mamafa solomaso amin’ny « mouchoir à jeter » satria mety hanakiaka ny vera izany ary mety hiraikitra amin’ity farany ny vovoky ny « mouchoir à jeter » ka handoto azy.

Lire la suite

Articles Similaires