• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Santé Magazine
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Infection urinaire » : ireo sakafo tsara hanina sy ireo tokony fadiana

23/01/2025 09:26 © Moov.Mg

Aretina iray mateti-pitranga ary isany tena mampijaly tokoa ny « infection urinaire ». Ny fahatsapana mavaivay rehefa mipipy na poritra lava no isan’ireo soritr’aretina ahafantarana azy ity. Ho fanampin’ireo fanafody sy fitsaboana omen’ny mpitsabo dia mila fantatra ireo sakafo tsara hanina sy mila fadiana rehefa manao « infection urinaire ».

Inona no atao hoe « infection urinaire » ?

Aretina iray vokatry ny bakteria iray tafiditra anatin’ny « appareil urinaire » ny « infection urinaire ». Ny « appareil urinaire » moa dia ny fitambaran’ireo taova sy fantsona mandrafitra ny lalan’ny pipy. Izany hoe ny tatavy, ny voa sy ny « urètre » izay fivoahan’ny pipy.
Miseho amin’ny alalan’ny soritr’aretina maro ny « infection urinaire ». Anisan’izany ny hoe mangirifiry rehefa mipipy, poritra lava, mipipy nefa tsy misy mivoaka, marary sy toy ny mavesatra eo ambany kibo…
Mety mahatonga fanaviana, misy rà kely ny pipy, misy fofona mahery ny pipy… rehefa lasa « compliquée » ilay « infection urinaire ». Amin’ny ankapobeny dia mampiditra « antibiotiques » sy fanafody mampitony ireo soritr’aretina ny mpitsabo mba hitsaboana ny « infection urinaire ».

Ireo sakafo tsara hoanina raha manao « infection urinaire »

Raha manao « infection urinaire » dia mila manantona mpitsabo hahazoana ny fandraisan-tanana hitsaboana izany. Ankoatra izay dia misy ireo sakafo tsara hoanina manampy amin’ny fampitoniana ireo soritr’aretina sy hanasitranana izany malaky kokoa :
-Ireo sakafo mampitombo ny hery fiarovana toy ny voankazo manankarena vitamina C sy « antioxydants ». Anisan’izany ny goavy, pamplemousse, voasary loranjy, voasary makirana, kiwi… Tsy adinoina ireo legioma toy ny persil, poivron, laisoa, soflera, épinard…
-Ireo sakafo mitahiry « probiotiques naturels » izay misoroka ny fiparitahan’ireo bakteria. Anisan’izany ireo vokatra azo avy amin’ny ronono toy ny yaourt sy ny fromazy.
-Ireo atao sakafo ahitana « pigments bienfaiteurs » izay manakana ireo bakteria tsy hiraikitra amin’ireo « parois urinaires ». Anisan’izany ny kanelina, ny paoma, ny cacao, ny voaloboka…
-Rano tsy latsaky ny 2 litatra isan'andro.

Ireo karazana sakafo mila fadiana raha manao « infection urinaire »

Raha manao « infection urinaire » na koa hoe tratr’ity aretina ity matetika dia tsara raha fadiana ireo karazana sakafo mety mampihetsika na mampitombo ny « inflammation » eo anivon’ny tatavy. Noho izany dia tsy tokony hihinana ireo sakafo maha « acide » ny pipy, toy ny :
-Episy noho izy ireo « irritant » ka vao maika mampitombo ireo soritr’aretin’ny « infection urinaire » ;
-Sakafo mamy satria ny bakteria mahatonga ny « infection urinaire » dia mivelona amin’ny siramamy. Rehefa mahazo siramamy izy ireo dia mahazo aina sy mitombo ;
-« Charcuterie » sy hena. Araka ny fikarohana nataon’ny mpikaroka avy any Taïwan dia mampihena ny « risques » hahavoa ny « infection urinaire » ny fifadiana hena (végétarien) ;
-Toaka sy ny kafe noho izy ireo « acidifiants ». Izany hoe mampitombo ny « acidité » ny pipy izy ireo ka mandrisika ny fihombon’ny bakteria mahatonga ny « infection urinaire ». Mila fadiana ny misotro azy ireo raha tratr’ity aretina ity. Ferana arak’izay azo atao kosa ny fisotroana izany mba hisorohana ny « infection urinaire ».

Lire la suite

Articles Similaires