• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ong Sahi
Image
Vaovao

Tetikasa FAFIRANO II : Mponina 163.000 isa any amin’ny Faritra Anôsy no nisitraka tombontsoa

22/01/2025 15:07 © Moov.Mg

Nifarana ny tetikasa FAFIRANO andiany faha-2, notanterahina tany amin’ny Faritra Anôsy, ary manana ny vina « Madagasikara Madio », araka izay napetraky ny fitondram-panjakana malagasy. Vonona hanohy ny ezaka efa natomboka ireo mponina nisitraka ny fandaharanasa.

Fampandraisana andraikitra ny rehetra

Ny tetikasa « Fanadiovana Antoka, Fanjariantsakafo Iainana ary Rano koloina », na FAFIRANO, dia tetikasan’ny fitondram-panjakana malagasy, tamin’ny alalan’ny ministeran’ny Rano, Fidiovana ary Fanadiovana, tanterahin’ny fikambanana tsy miankina SAHI ary iarahany miasa amin’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny ankizy (UNICEF). Tamin’ny 16 septambra 2023 no natomboka tamin’ny fomba ôfisialy ny andiany faharoa amin’ny tetikasa FAFIRANO, ho an’ny Faritra Anôsy, ary izao vao nifarana izao.

Mponina 163.000 isa avy ao amin’ny Kaominina 11 tany amin’ny Faritra Anôsy no nisitraka ny tetikasa, dia Soavary, Ampasimena, Ranopiso, Ankilivalo, Ankariera, Analapatsy, Andranobory, Tsivory, Bekorobo, Analamary ary Beapombo I. Paikady nampiasaina ny fampandraisana an-tanana an’ireo fokonolona ifotony, mba ho zatra miahy maharitra ny fanadiovana ny rano, ary ny fanadiovana sy fidiovana ; ho fifehezana ny maloto sy ny fako ary koa mba ho an’ny fanjariantsakafo. Ny olon-drehetra isan-tokantrano mihitsy no nifanome tanana mba hahatrarana ireo tanjona ireo.

Tetikasa mahomby

Tsara ny vokatra, satria maherin’ny 90% ny taham-pahombiazana tamin’ity tetikasa FAFIRANO ity, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny ONG SAHI. Hita taratra mazava ny fiovam-pihetsika sy ny fiovan’ny fahazaran’ireo mponina, tany amin’ireo kaominina izay nisitraka ny tetikasa. Afaka tamin’ny fangerena an-kalamanjana ireo kaominina ary mihatsara ny fanjariantsakafo sy ny fanadiovana rano, araka ny nambaran’ny Sefo Fokontany iray. Resy lahatra ny mponina, araka ny fanazavany, ka nanangana kabone. Efa misotro rano madio ihany koa izy ireo ary afaka misasa ara-dalana.

Raha ny fanirian’ireo mpisitraka ny FAFIRANO II moa, dia mbola hitohy hatrany izany tetikasa izany. Na mifarana aza anefa ity andiany faharoa ity, dia nilaza ireo mponina fa vonona ny hanohy ireo ezaka efa vita, mba ho tombontsoan’ny Kaominina misy azy avy.

Lire la suite

Articles Similaires