• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena
Image
Vaovao

Trangam-piaraha-monina : Mavesatra ny sazy miandry ilay Raim-pianakaviana nifamototra tamin’ny zanany vavy

22/01/2025 12:43 © Moov

Rehefa avy nandalo teny amin’ny fampanoavana sy ny fitsarana ny raharaha fanolanana nataona Raim-pianakaviana tamin’ny zanany vavy nandritra ny 19 taona dia azo lazaina hoe mavesatra ny sazy miandry azy. Hatreto aloha dia efa notazomina am-ponja vonjimaika eny amin’ny Fonjaben’i Tsiafahy ny tenany.

Raràn’ny lalàna ny fifamoterana

Raha tsiahivina iny trangam-piaraha-monina iny dia ny novadian’ity Rainy ity ny zanany vavy nanomboka teo amin’ny faha-14 taonany. Efa 31 taona ankehitriny io zanany io ary nandritra ny 19 taona dia voageja tao anatin’izany herisetra izany ny tenany. Isan’ny vesatra hiampangana ity Raim-pianakaviana ity amin’izao fotoana izao ny fifamotorana amin’ny zanaka, izay voamarina ihany koa fa bevohoka amin’izao fotoana izao. « Vesatra iray hanenjehana azy ny fifamoterana amin’ny zanany vavy izay bevohoka. Fehezin’ny andininy faha-335, eo amin’ny teboka fahatelo, andalana faharoa ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana izany ary mety mahavoasazy an-tranomaizina 5 hatramin’ny 10 taona », hoy ny tonia mpampanoa lalàna ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Rakotoniaina Narindra Navalona. Raha ny nomarihin’ity farany dia voararan’ny lalàna ny fifamoterana amin’ny mpihavana akaiky.

Herisetra mianjady amin’ny maha-lahy sy mahavavy

Ankoatra io olana eo amin’ny rafi-pianakaviana tokony notandrovina io dia hiampangana ity raim-pianakaviana ity ihany koa ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na ny mahavavy. Voalohany amin’izany ny fanolanana vehivavy bevohoka ; heloka voatondro sy faizin’ny andininy 332, andalana voalohany ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana ary ny andininy voalohany sy faharoa ao amin’ny lalàna 2019.008 amin’ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na mahavavy. « Mety hahavosazy azy hanao asa an-terivozona 5 hatramin’ny 20 taona izany », hoy hatrany ny tatitra. Manaraka izany ny vono sy ratra niniana natao, izay heloka voatondro faizin’ny lalàna andininy 312 bis, andalana faharoa ka mety mahavoasazy 5 hatramin’ny 10 taona an-tranomaizina.
Eny fa na dia niaiky ny fiampangana azy aza ity raim-pianakaviana ity dia mbola tsy mahasakana ireo vesatra mety hianjady aminy ireo izany.

Lire la suite

Articles Similaires