Antananarivo : Mandany ora roa hatramin’ny telo anaty fitohanana ny vahoaka
Olana efa hiainana, tsy mety misy vahaolana ho an’ny mponin’Antananarivo ny toham-boivoy. Roa herinandro teo ho eo izay dia mandany ora maro anatin’ireny fitohanana ireny ny mpampiasa lalana. Ahitana izany ohatra ny eny Anosy, Analakely, Behoririka, Ankorondrano, Ivandry, Anosivavaka. Misy toy izany ihany koa ny eny Andravoahangy, Amboditsiry sy iny Analamahitsy iny.
Miomana ny mpandeha
Ireo olona mipetraka ivelan’Antananarivo no tena misedra mafy kokoa ity olana ity. Amin’ny ankapobeny dia tsy maintsy miainga ora telo mialohan’ny fotoana vonjena izy ireo raha hiakatra an-tanàn-dehibe. « Raha sendra tara vao tafiala ao an-trano dia tara ora maromaro any am-piasana raha tsy manapak’evitra handeha tongotra. Tena tsy mihetsika mihitsy mantsy ny fitohanana. Rehefa mody indray avy hatrany dia mandeha tongotra mba ho tonga aloha ao an-trano na dia alavitra aza », hoy i Dera Rasolofoson, mipetraka eny Ambohitrarahaba. Raha ny fanazavana ihany koa dia zara raha mahavita ny asa sy ny zavatra tokony natao ireo avy any ivelan’Antananarivo satria maika handeha hody indray noho ny tahotry ny fitohanana. Isan’izany ny avy eny Andoharanofotsy, Alasora sy Ambohimangakely iny. Ny mpahay toe-karena izay efa nanambara hatrany fa mampidina ny hari-karena faobe ho ambany ny fisian’ity fitohanana lavareny ity.
Mihena ny vola miditra amin’ny fiara fitateram-bahoaka
Ankoatra ireo mpandeha anefa dia miteraka olana eo amin’ny mpamily fiara fitateram-bahoaka ihany koa ity fitohanana ity. Saika mamono maotera avokoa mantsy ny fiara rehetra satria matetika isaky ny 30 minitra vao mikisaka kely 50 metatra. « Zara raha mahavita tour 2 na 3 izahay amin’izao raha tokony 5 isan’andro izany. Vokatr’izany dia tsy tratra ny vola tokony aloha amin’ny tompon’ny fiara. Etsy ankilany dia mandany solika betsaka kokoa ihany io », hoy ny solontenan’ireo mpamily. Raha ny voalaza ho anton’izany fitohanana izany amin’ny ankapobeny dia ny faharatsian’ny lalana ; eo ihany koa anefa ny fanamboaran-dalana izay tsy mety mifarana. Mbola isan’ny antony ihany koa ny fahateren’ny lalana kanefa mbola misy ireo mametraka fiara eny amin’ny sisiny sy ny lalana izay mandalo tsena. Mihamafy izany rehefa fotoam-pahavaratra toy izao. Saron’ny rano ny lavaka amin’ny lalana ka mitandrina avokoa ny mpamily rehetra. Araka izany, isan’ny vahaolana tokony himasoana ny fanalalahana ny lalana sy ny fanamboarana azy ireny.