Fambolena : Hatsaraina ny fomba fambolena voaloboka ao amin’ny faritra Matsiatra ambony
Natomboka tao Fianarantsoa, ny herinandro lasa teo ny tetikasa MAD PARCELLE, izay novokarin’ny Ivon-toerana ambony momba ny siansa sy ny teknolojia (ISST) ao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa. Natao indrindra hampiroboroboana ny fambolena voaloboka any an-toerana izany. Manana paikady vaovao ny tetikasa hahafahana mamadika izany ho divay tsara kalitao; izay azo lazaina ho mampalaza iny faritra iny.
Fambolena maoderina
Nandritra ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy, notarihin’ny Dr Ralaibia Boniface Ermenergilde, Talen’ny ISST, dia natolotra azy ireo ny fitaovana fambolena maoderina. Ireo fitaovana ireo, noho ny fanohanan’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, indrindra ny avy any amin’ny Nouvelle-Aquitaine any Frantsa, dia mikendry ny hanohana ny tantsaha ao an-toerana sady hanamafisana ny fiofanana omena ao amin’ny ISST. Ny tetikasa MAD PARCELLE kosa dia manasongadina ny maha zava-dehibe ny fanavaozana ny fomba fiasa sy ny fifampizarana fahaiza-manao hampiroboroboana hatrany ny sehatry ny fambolena any amin’ny faritra Matsiatra Ambony. Hatambatra ao anatin’izany ny fomba mahazatra ny mponina sy ny fomba maoderina mba hamaly ny fanamby ara-pambolena sy ara-toekarena. Amin'ity fambolena voaloboka ity, ny ISST dia manokatra lalana ho an'ny fahasamihafan'ny vokatra eo an-toerana sy ny fitrandrahana ny tombontsoa ara-toekarena ho an’ny mponina.
Tombontsoa ho an'ny fampandrosoana ny faritra
Stratejika ho an’ny faritra ihany koa ity fambolena voaloboka ity. Niarahan’ny Prefet, ny solotenan’ny Governemanta, ny filohan’ny oniversiten’i Fianarantsoa, ary ireo talem-paritra maromaro sy ireo mpiara-miombon’antoka any an-toerana io fotoana nanombohana azy io. Manamafy izany, fa endrika iray entina hampandrosoana ny faritra ny fambolena ity voankazo ity. Hisy rahateo ny sampam-pianarana manokana momba ny divay (parcours VIN) ao amin’ny ISST mba hahafahana manodina ny voaloboka. Tanjona amin’izany ny hanatsarana ny divay avy ao Fianarantsoa sy hahafahany mifaninana amin’ny iraisam-pirenena. Tsy vitan’ny ho fampiroboroboana ny vokatry ny fambolena, fa ho famoronana asa sy soa fanararaotra vaovao ho an’ny tanora any amin’ny faritra ihany koa izany. Araka izany, hitondra hery lehibe amin’ny fampivoarana ny faritra ity sehatra ity.