Anove Sud - Soanierana Ivongo : Sambo iray, tratra nitatitra hazoala an-tsokosoko
Miezaka maneho hatrany ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), fa hentitra tanteraka amin’ireo minia manao tsy fanarahan-dalàna ara-tontolo Iainana. Sambo iray nitondra hazo tsy ara-dalàna indray, noho izany no nogiazana, tany Soanierana Ivongo.
Mba ho fitantanana maharitra ireo harena voajanahary, dia tsy maintsy manaraka ny lalàna velona misy eto Madagasikara ny fitrandrahana ny hazo. Mbola misy hatrany anefa ireo mikapa hazo sy mitaitra izany an-tsokosoko, tsy nahazoana alalana. Ny alahady 19 janoary 2025 lasa teo izao, dia tra-tehaky ny fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (DREDD) Analanjirofo, tao Anove Sud, Kaominina Manompana, Distrikan’i Soanierana Ivongo, ny sambo iray nitondra hazo tsy ara-dalàna. Hazoala miisa 100, tamin’ireo notaterina, no efa nampidinin’ireo tompon’antoka teo amoron-drano. Mbola tsy fantatra mazava kosa ny totaliny fa hiditra amin’ny fanisana ireo hazo rehetra nentin’ity sambo ity ny DREDD Analanjirofo.
Fandikan-dalàna ara-tontolo iainana
Araka ny fampitam-baovaon’ny MEDD, dia fampitam-baovao avy amin’olona tsara sitrapo, no nahafahana nahatratra ity sambo nitatitra hazo an-tsokosoko ity. Tsy nisy hita moa ireo olona tompon’antoka, fa tafandositra avokoa. Na izany aza, efa nanokatra fanadihadiana ny DREDD Analanjirofo sy ny mpitandro ny filaminana any an-toerana, mba hahafahana mikaroka ireo tompon’antoka amin’izao fitrandrahana hazo an-tsokosoko izao. Hatreto aloha dia tombanana ho avy any Mananara Avaratra no nangalan’ity sambo ity ireto hazo ireto.
Mamporisika ny fanomezam-baovao avy amin’ny olom-pirenena rehetra mahatsikaritra fandikan-dalàna ara-tontolo iainana ny MEDD, mba hahafahana mandray fepetra haingana amin’ny trangana fitrandrahana harena voajanahary an-tsokosoko toy izao. Tsy mijanona eo amin’ny famaizana ireo olona tratra manao fandikan-dalàna ihany moa ny ezaka atao, fa manamafy ny fanabeazana momba ny fiarovana ny tontolo iainana ihany koa ny MEDD.