Fanatsarana fifamoivoizana : Halalinina ny fahaizan’ireo mpamily miisa 120 ao amin’ny SMA
Hisorohana ny lozam-pifamoivoizana dia hampiofanina ireo mpamily avy ao amin’ny Société Municipale d’Assainissement (SMA). Miisa 120 izy ireo ary androany sy rahampitso no hanatanterahana izany. Ireo avy ao amin’ny Fitaleavana momba ny fifamoivoizana (DGSR) no mpampiofana raha ny JICA kosa no mamatsy vola.
Hanatsarana ny kalitaon’ny fomba fiasa
Tsy voatery ho isan’ireo mahatonga ny lozam-pifamoivoizana ireto mpamily avy ao amin’ny SMA ireto saingy mety ho ny sasany amin’izy ireo. Hialana amin’izany indrindra dia hamafisina ny fahaiza-manaon’izy ireo amin’ity fampiofanana hatolotry ny DGSR ity. Tanjon’ity mantsy dia ny hampihena ny mety ho lozam-pifamoivoizana mety hiseho. « Vinan’ny fampiofanana ny fanamafisana ny fahaizana mamily fiara sy moto ary ireo fitaovana rehetra voalazan’ny lalàn’ny fifamoivoizana ka hampiasain’ny SMA. Entina ihany koa hanatsarana ny kalitaon’ny asa satria mivezivezy matetika eto Antananarivo ireo fitaovana ireo », hoy ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny SMA, ny Colonel Tiana Razafimanahaka. Hivelatra amina lohahevitra maro isan-karazany ny fampiofanana hatolotra ireto mpamily ireto. Ao anatin’izany ny fahaiza-manamory, fanajana ny lalàna, fisorohana ny loza sy ireo pitsopitsony rehetra, na ny momba ny lalana na ny momba ny fiara. Hofanina araka izany ireo mpamily ireo mba mpanamory matihanina kokoa, mendrika kokoa, ary hatokisana kokoa, hoy hatrany ny Tale Jeneraly.
Fiarovana ny fitaovana
Ny taona lasa teo no nahazo fiara fanampiny, avy amin’ny JICA, farany ny orinasa SMA, hitaomana ireo fako eto Antananarivo. Isan’ny tanjon’ny fampiofanana ihany koa ny hiarovana ireo fitaovana amin’ny loza. « Hampiofanina momba ny fampiasana ireo fitaovana rehetra ireo mpamily ; ao ny kamiao, moto, bennes ary ny engins. Isan’ny tanjona ny hitandroana ny faharetan’ireo fitaovana ireo ; indrindra ireo vaovao », hoy ny fanazavana. Araka izany, hitana anjara toerana lehibe mandritra ny fampiofanana ihany koa ny momba ny fitondran-tena. Ao anatin’izany ny mba tsy handraisana zava-mahadomelina sy ny zava-pisotro mahamamo.